FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/8 p. 23
  • ‘Midera ny anaran’i Jehovah’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Midera ny anaran’i Jehovah’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/8 p. 23

‘Midera ny anaran’i Jehovah’

Tamin’ny 2 septambra 1986, ny Repoblika demokratika alemana (Alemaina Atsinanana) dia namoaka fitambarana hajia mampiseho vola madinika alemana mahaliana ara-tantara. Izay hitanao eto ambany dia ny voalohany amin’ilay karazany. Mampiseho vola madinika iray tamin’ny 1633 izy io. Ny manintona ny saintsika indrindra anefa dia ny litera hebreo efatra mamoaka tara-pahazavana, voasokitra eo amin’ilay vola. Inona no hevitr’izy ireo? Manome izao fanazavana izao ny revio momba ny fanangonana hajiam-paositra alemana atao hoe Briefmarkenwelt: “Ny anjely roa mihantona eny amin’ny habakabaka eo ambonin’ny sarin’ny tanàna, dia mitondra eo anelanelan’izy ireo ny anaran’i Jehovah.”

Tao anatin’ireo taonjato faha-16 sy 17 dia tena fanao ny nanonta vola madinika maro karazan’izany tany Eoropa. Manao izao fanamarihana izao ny “encyclopédie” alemana iray tamin’ny 1838: “Antsoinay amin’ny anarana hoe vola madinika-Jehovah ny vola madinika sy medaly rehetra mitondra ny teny hoe יהוה, Jehovah, voahodidin’ny tara-pahazavana; na mitokana izany, na miaraka amin’ny anaran’i Jesosy, (...) matetika miaraka amin’ny sarin-javatra efa voalaza. Koa satria ny ‘thalers’ [vola madinika navoakan’ny Fanjakana alemana maro teo anelanelan’ny taonjato faha-15 sy faha-19] indrindra no mitondra io soratra io, dia nangonina tamin’ny anarana hoe ‘thalers-Jehovah’ izy ireny.”

Azo inoana fa ny ankamaroan’ireo izay mampiasa ireo hajia ireo dia tsy mahalala akory fa ireo soratra hebreo dia ny an’ny anaran’Andriamanitra. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa dia faly mampiharihary ny mampiavaka ireo hajia ireo amin’ny fanazavana ny hevitra sy ny mahazava-dehibe ny anaran’i Jehovah. Araka izany, tamin’ny lafin-javatra iray tsy nampoizina izy ireo dia nanana fahafahana ‘hidera ny anaran’i Jehovah’. — Salamo 135:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara