Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Vonoana olona nandritra ny fanasana iray fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana
TAORIAN’NY nanomezany toromarika azy ireo, Jesosy dia naniraka ireo apostoly tsiroaroa tao amin’ny faritany. Azo inoana fa Petera dia nandeha niaraka tamin’i Andrea rahalahiny, Jakoba niaraka tamin’i Jaona, Filipo tamin’i Bartolomeo, Tomasy tamin’i Matio, Jakoba tamin’i Tadeo ary farany Simona dia niaraka tamin’i Jodasy Isikariota. Na taiza na taiza nandalovany, ireo antokon’evanjelistra enina ireo dia nanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakana sady nanao fanasitranana mahagaga.
Nandritra izany fotoana izany dia tao an-tranomaizina foana Jaona Mpanao batisa. Efa ho roa taona izao. Tsy isalasalana fa tadidinao ny hoe: Jaona dia nanambara ampahibemaso fa diso Heroda Antipasy tamin’ny nakany an’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny. Koa satria nilaza ho nanaraka ny Lalàn’i Mosesy Heroda Antipasy, Jaona dia nanana antony hanamelohana an’izany fanambadiana nisy fijangajangana izany. Izany no antony nampanaovan’i Heroda azy tao an-tranomaizina, angamba noho ny fangatahan’i Herodiasy.
Tsapan’i Heroda Antipasy tsara fa Jaona dia lehilahy marina ka nihaino azy tamim-pahafinaretana mihitsy aza izy. Nisalasala àry izy ny amin’izay anjara hatokany ho azy. Herodiasy kosa dia nankahala an’i Jaona ary nitady foana izay fomba hamonoana azy ho faty. Tamin’ny farany dia niseho izany fahafahana nandrasany izany.
Taloha kelin’ny Paska tamin’ny taona 32, Heroda dia nanao fety lehibe noho ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany. Nasainy hisakafo ny olona nanan-kaja rehetra sy ny filohan’ny tafika ary koa ny olona manamboninahitra indrindra tao Galilia. Tamin’ny hariva, dia niditra mba handihy teo anoloan’ireo nasaina ny tovovavy iray: Salome io, zanakavavin’i Herodiasy tamin’i Filipo, vadiny teo aloha. Ny dihiny, tsy isalasalana mihitsy fa jejojejo, dia nahafaly ny lehilahy rehetra nanatrika teo.
Nahafaly loatra an’i Heroda i Salome. “Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao”, hoy ny fampanantenan’ny mpanjaka, sady nianiana mihitsy aza izy hoe: “Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.”
Alohan’ny hilazana ny fangatahany dia nivoaka Salome ka nila hevitra tamin’ny reniny. “Inona no hangatahiko?” hoy izy taminy.
Indro niseho ny fahafahana nandrasany efa ela! “Ny lohan’i Jaona Mpanao-batisa”, hoy ny valinteniny tsy nisy fihambahambana.
Tamin’izay dia niverina tao amin’i Heroda i Salome ka niteny taminy hoe: “Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan’i Jaona Mpanao-batisa.”
Nalahelo mafy Heroda. Kanefa noho ny nandrenesan’ny olona nasainy ny fianianana nataony, dia nanahirana azy ny tsy hitana izany, na dia voatery hampamono olona tsy nanan-tsiny aza izy. Nanome baiko àry izy ary, teo no ho eo, dia nandeha tany an-tranomaizina ny mpamono olo-meloka notendrena mba hanatanteraka izany iraka mahatsiravina izany. Tsy ela dia niverina ralehilahy nitondra teo an-dovia ny lohan’i Jaona ary natolony an’i Salome izany; izy kosa nitondra izany teo amin-dreniny. Rehefa nandre izay niseho ny mpianatr’i Jaona, dia tonga naka ny fatiny tao an-tranomaizina mba handevina azy, avy eo dia lasa nilaza ilay vaovao mampalahelo tamin’i Jesosy.
Tatỳ aoriana, rehefa nandre ny amin’i Jesosy nanasitrana marary sy namoaka demonia Heroda dia raiki-tahotra, satria nanontany tena izy raha toa ka Jaona nitsangana tamin’ny maty izany lehilahy izany. Nitady fatratra hahita an’i Jesosy izy taorian’izany, tsy mba hihainoana ny fampianarany akory, fa mba hamantarana raha marim-pototra na tsia ny ahiahiny. Matio 10:1-5; 11:1; 14:1-12; Marka 6:14-29; Lioka 9:7-9.
◆ Inona no nahatonga an’i Jaona ho tao an-tranomaizina, ary nahoana no tsy ta-hampamono azy Heroda?
◆ Ahoana no nahafahan’i Herodiasy nampamono an’i Jaona tamin’ny farany?
◆ Taorian’ny nahafatesan’i Jaona, nahoana Heroda no naniry hahita an’i Jesosy?
[Sary, pejy 9]