FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/5 p. 3
  • Lany andro ve ny fanaovana ny marina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lany andro ve ny fanaovana ny marina?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona moa no dikan’ny hoe manao ny marina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Aoka isika hanao ny marina amin’ny zavatra rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Manaova ny Marina Amin’ny Zava-drehetra
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Ahitan-tsoa ve ny fanaovana ny marina?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/5 p. 3

Lany andro ve ny fanaovana ny marina?

EO amin’izao tontolo izao ankehitriny iainantsika, lany andro ve ny hoe miaina amin’ny fanaovana ny marina? Nariana ve ny fanaovana ny marina satria hoe tsy azo ampiharina intsony ireo fotopoto-pitsipika ny amin’izany? Toa izany tokoa no izy. Hevero fotsiny ny ohatra vitsivitsy izay hampiseho aminao ny fitaran’ny tsy fanaovana ny marina, ireo endrika isehoany, ny hoe lasa hatraiza izany ary ny enta-mavesatra ara-bola asehony.

Tao anatin’izao taona faramparany izao, dia notombanana ho 600 lavitrisa ariary isan-taona ny hetra tsy naloa tamim-pitaka tany Alemaina federaly, ary 40 000 ariary mahery isan’olona sy isan-taona ny any Soeda. Raha monina any amin’ny anankiray amin’ireo tany ireo àry ianao, dia manavesatra ny hetranao ny tsy fanaovana ny marina. Miely aoka izany ny fitaka amin’ny fandoavan-ketra any Etazonia, hany ka tombanan’ny fitondram-panjakana ho 100 lavitrisa dôlara eo ho eo no very isan-taona. Tsy sarotra aminao ny maka sary an-tsaina hoe hatraiza no mety hilana izany vola izany mba hampihenana ny banga lehibe amin’ny teti-bola amerikana. Ambonin’izany, ireo fanao tsy ara-dalàna eo amin’ny lafin’ny raharaha dia mahatonga ny fitondram-panjakana amerikana hamoy 100 lavitrisa dôlara koa. Ny fangalarana entambarotra, ny “halatra madinika” dia namoizan’ireo magazay amerikana 4 lavitrisa dôlara, ka izany dia niteraka fisondrotan’ny vidin-javatra. Ny tsy fahamarinan’ny Amerikana izay manao izay handoavan’ny olon-kafa ny lany rehefa mandefa telefaonina lavitra ny tenany dia nahatonga an’ireny handany eo amin’ny 1 lavitrisa dôlara tamin’ny telefaoniny isan-taona.

Any Kanada, ny “mpangalatra fotoana”, ny mpiasa tsy manao ny raharahany, dia mahatonga ny mpampiasa azy hahita fatiantoka eo amin’ny 15 lavitrisa dôlara (kanadiana), izany hoe “avo telo heny noho ny fatiantoka vokatry ny halatra ataon’ny mpiasa, ny fanodinkodinam-bola, ny fitaka amin’ny fiantohana, ny fandravaravan-javatra tsy amin’ny antony, ny kolikoly, ny fandoroan’ny mpanao heloka bevava trano sy heloka hafa koa mahakasika ny raharaha”. Araka ny fandinihana natao tamin’ny 1986, any Etazonia, ny fotoana nangalarina toy izany dia toa hoe niteraka fatiantoka mahatratra 170 lavitrisa dôlara.

Ireo fikambanana lehibe mpanapitrisa maromaro (amin’ny dôlara), mandroso nefa fatra-pitia tombony, dia mangalatra amin’ny fitondram-panjakana mihitsy aza. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanoratana ho azy, faktioram-pitaovana amin’ny vidiny mihoa-pampana: fanalahidy rambony enina tokony ho 12 cents, atao 9 606 dôlara; transistors tokony ho 67 cents, soratana ho 814 dôlara; plastika fanao amin’ny loha-tongo-tseza izay 17 cents ny vidiny, soratana ho 1 118 dôlara. Araka ny filazan’ny senatera amerikana iray, dia tsy maintsy ho “an-davitrisany dôlara maro” ny fatiantoky ny fitondram-panjakana.

Ambonin’izany rehetra izany, ny ohatra ratsy omen’ny olo-malaza saiky hatraiza hatraiza dia tsy mamporisika hanao ny marina. Araka ny tsy maintsy ho tsapanao, any amin’ny tany sasany ireo mpitondra dia mandainga, mihatsaravelatsihy ary mandositra ireo andraikiny. Misy aza tonga hatramin’ny famonoana ireo rafiny ara-politika sy manilika ny andraikitra amin’olon-kafa.

Koa lany andro ve ny fanaovana ny marina? Moa ve tsy io intsony no fomba fanaovan-javatra tsara indrindra? Sa fomba fanaovan-javatra tsara indrindra izy io satria mandidy antsika hanao ny marina fotsiny ny Tenin’Andriamanitra? Hoheverinao ho zava-dehibe ny lahatsoratra manaraka raha maniry hahazo ny valin’ireo fanontaniana ireo ianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara