FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/6 p. 30-31
  • Dingana vaovao eo amin’ny asa fampianarana Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Dingana vaovao eo amin’ny asa fampianarana Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Varavarana Misokatra ho Amin’ny Asa ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Sekoly Vaovao Iray Atsy Afrika
    Mifohaza!—1994
  • Manampy Olona Eran-tany Ireo Nahazo Diplaoma Tamin’ilay Sekoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ampiofanin’i Jehovah ny Mpitory Ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/6 p. 30-31

Dingana vaovao eo amin’ny asa fampianarana Baiboly

NY ALAKAMISY 1 oktobra 1987 dia nanamarika dingana vaovao eo amin’ny asa fampianarana Baiboly tanterahin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Tamin’io andro io tokoa no nitokanana ny Sekoly vaovao fampiofanana amin’ny fanompoana. Ny kilasy voalohany, voaforon’ny Vavolombelona tsy manambady 24, dia tonga mba handray fampiofanana manokana tao amin’ny Efitrano midadasika fanaovana fivoriambe any Coraopolis any Pittsburgh, any Pennsylvanie (Etazonia). Nisy Vavolombelona tao amin’ilay faritra nanipy hevitra tamin-kafanam-po ny hampiantrano mpianatra nandritra ireo valo herinandro fampiofanana.

Ny maraina, tamin’ny fisoratana, ireo mpianatra dia nandray ny bokiny fianarana sy toromarika mialoha. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, dia Vavolombelona nafana fo 1518 no nifanizina tao amin’ilay Efitrano fanaovana fivoriambe mba hihaino ny fandaharam-pitokanana ilay sekoly vaovao.

Albert Schroeder, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nitari-draharaha tamin’io takariva io. Taorian’ny hira sy ny vavaka, dia nanome fitenenana an’i Robert Dawson, mpiandraikitra ny tanàna, izy. Niarahaba tonga soa aman-tsara tamim-pitiavana an’ireo mpianatra 24 ny rahalahy Dawson ary nidera an’ireo fianakaviana 13 nanaiky an-tsitrapo ny hampiantrano azy ireo. Nasiany fitenenana ny amin’ny tombontsoa hananan’izy ireo hampiseho fitiavana maharitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra ary miaritra ny zavatra rehetra (1 Korintiana 13:7). Nampahatsiahiviny ny mpianatra koa fa tokony hiseho ho nasaina mankasitraka sy manetry tena ary tia manampy izy ireny. Ny fanaovana toy izany dia hahatonga ho afaka hampifamatotra fisakaizana ho amin’ny fiainana rehetra.

Rehefa avy eo dia nampahafantatra ny tenany ny mpianatra tsirairay avy tamin’ny fanomezana ny anarany, tamin’ny filazana mazava ny toerana niaviany sy izay efa vitany teo amin’ny asa. Tamin’ireo mpianatra dia nisy rahalahy avy any Porto Rico, Argentine, Kanada, Hong-Kong; ny hafa avy any atsinanan’i Etazonia. Ankoatra ny fiteny anglisy, ny sasany dia niteny espaniola, frantsay, italiana na sinoa.

Rehefa avy eo dia nampidirin’ny mpitari-draharaha James Hinderer, anankiray amin’ireo mpampianatra. Nifototra tamin’ny Matio 7:24, 25, ny rahalahy Hinderer dia nampiseho ny maha-zava-dehibe tokoa ny hanaovan-javatra tsara amin’ny fampiharana izay ianarana. Amin’izany no hanorenan’ireo mpianatra ny ‘tranony’ eo amin’ny vatolampy fa tsy eo amin’ny fasi-polaka.

Niteny tamin’ireo mpianatra koa ny mpampianatra faharoa, Randall Davis. Nivaofy ny Isaia 54:13 izy ka nampiseho tamin’izy ireo fa hampianarin’i Jehovah izy ireo mba hahafahan’ny tenan’izy ireo mampianatra olon-kafa kosa rehefa avy eo. Mba hahavitana izany, izy ireo dia tokony hiankina amin’ny fomba feno amin’ny tena “mpanampy”, dia ny fanahy masin’i Jehovah. — Jaona 14:26.

Nandray ny fitenenana indray Albert Schroeder ary nampitaha an’io takariva io tamin’ny dingana hafa iray niavaka teo amin’ny asa fampianarana Baiboly. Nampahatsiahiviny ny 1 febroary 1943, rehefa nivory tany South Lansing any amin’ny fanjakan’i New York ny mpianatra teo amin’ny zato, mpampianatra efatra (anisan’izany ny tenany) ary olona nasaina avy any Brooklyn, tamin’ny fanokanana an’i Gileada, Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower. Hatramin’ny 44 taona, dia tsy nitsahatra nitahy an’io sekoly io Jehovah araka ny porofoin’ny misionera 6 000 mahery nirahiny maneran-tany taorian’ny nanomezana azy ireo fampiofanana araka ny Baiboly. Notanisain’ny rahalahy Schroeder rehefa avy eo ny foto-kevitra samihafa hodinihina ao anatin’ny Sekoly fampiofanana ho amin’ny fanompoana. Aoka hotononintsika ankoatra ny zavatra hafa ny fampianarana araka ny Baiboly, ny fandaminana teokratika (foto-kevitra hifantoka indrindra amin’ny andraikitry ny mpiandraikitra sy ny mpikarakara momba ny asa), ny fiandraiketan-draharahan’Andriamanitra sy ny fahaiza-mandahateny. Nanintona ny saina ho amin’ny boky fianarana maromaro koa izy, indrindra fa ny Comment raisonner à partir des Ecritures. Ho famaranana, dia novoaboasan’ny rahalahy Schroeder ny fahatanterahan’ny Isaia 45:23 tamin’ny fanazavana fa tena eo am-pandohalehana eo anatrehan’Andriamanitra tokoa ireo mpanohitra ara-pivavahana satria tsy maintsy miaiky izy ireo fa manana ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah na eo amin’ny lafiny ara-pitsaboana sy ara-pitsarana na eo amin’ny lafin’ny fandaharan-taonan’ny Baiboly.

“Manahafa an’i Paoly”, izany no foto-kevitra novelabelarin’ny mpandahateny manaraka, ny rahalahy Karl Klein, anisan’ny Kolejy foibe. Nosoritany fa imbetsaka ny apostoly Paoly no namporisika ny hafa hanahaka azy. Tsara toerana izy mba hanao izany satria ny tenany koa mpanahaka an’i Kristy (1 Korintiana 11:1). Namporisihina hanahaka an’i Paoly ny mpianatra tamin’ny lafiny maro: ny fahalalana, ny fahakingana amin’ny fampiasana ny Soratra Masina, ny herim-po sy ny zotom-po tamin’ny fitoriana, ny tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena, ny tsy fatokian-tena loatra sy ny fanetren-tena mbamin’ny fahaiza-miaritra.

Rehefa avy eo i Theodore Jaracz, mpikambana hafa iray ao amin’ny Kolejy foibe, dia nanao ny lahateny fitokanana nitondra ny lohateny hoe “Sekoly vaovao iray — ho fikendrena inona?” Nanomboka ny lahateniny izy tamin’ny filazana mazava fa ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay manatrika an’io sekoly io dia vonona ny ho any amin’izay ilàna azy na aiza na aiza maneran-tany. Ilaina dia ilaina ny lehilahy mahay mba hiandry sy hampianatra Vavolombelona maherin’ny 3 250 000 miely patrana any amin’ny kongregasiona maherin’ny 54 000, sy hitondra ao amin’ity asa fitoriana ny filazantsara lehibe ity. Efa ela be izay, dia nanambara Jehovah fa hanao “fanomezana amin’ny endriky ny lehilahy” izy. (Salamo 68:18, MN.) Izany no nitranga tamin’ny andron’ny apostoly, araka ny porofoin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:8-11. Amin’izao andro izao koa dia manao ‘fanomezana lehilahy’ Jehovah ary mampiofana ny sasany amin’izy ireny amin’ny alalan’io sekoly vaovao io.

Teo aoriana kokoa tao amin’ny lahateniny, dia nasehon’ny rahalahy Jaracz fa afaka mampitombo ny toetra voajanahary ananan’ny mpianatra tsirairay avy Kristy. Tsy misy na inona na inona azo tsy miaraka amin’ny fiezahana anefa, na dia izany aza dia naneho ny fiaikeny mafy ny mpandahateny fa hanao izany fiezahana izany ireo mpianatra 24. Nosoritany fa tsy azo atao ny tsy hanaraka ny fitsipika marin’i Jehovah ary ireo rahalahy mitondra ao amin’ireo kongregasiona dia mety hampihatra fitaomana tsara dia tsara amin’ny fanomezana ohatra tsara. Any amin’ny faritra maro eto an-tany, dia ilaina tokoa ny lehilahy mahay vonona ny hiantsoroka andraikitra eo anivon’ny fandaminana. Ilaina izany na dia any amin’ireo kongregasiona lehibe aza izay tsy misy afa-tsy loholona iray na roa sy mpikarakara momba ny asa vitsy. Izao no antony namoronana ny Sekoly fampiofanana ho amin’ny fanompoana: hanomezana fampiofanana ho ana loholona sy mpikarakara momba ny asa mpitovo mba handehanany hiasa na aiza na aiza amin’ny saha maneran-tany. Rehefa vita izany fampiofanana izany, dia ho ampy fitaovana kokoa izy ireo mba hiatrika ny fitomboan’ny isan’ny ondry, amin’ny maha-mpiandry.

Ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia afaka misaotra ny Andriamaniny izay nanome an’io Sekoly fampiofanana ho amin’ny fanompoana io. Toy izao no namaranan’ny rahalahy Jaracz ny teniny: “Azo antoka fa isika rehetra dia manana hevitra sy fihetseham-po ambara amin’i Jehovah sahala amin’ny ao amin’ny Salamo 79:13, manao hoe: ‘Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin’ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fiderana Anao.’ ” Ny fanaovana hira sy vavaka rehefa avy eo no namarana an’io takariva nahafaly io, izay tsy ho voakosoka ao amin’ny fitadidiana rehetra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara