FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/10 p. 32
  • Miaro ny famoronana izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaro ny famoronana izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/10 p. 32

Miaro ny famoronana izy

NY zatovovavy Amerikana iray, izay nianatra tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany tany lowa (Etazonia) dia nanoratra izao taminay momba ny anankiray amin’ireo mpampianatra azy: “Tadidiko ny fomba nampianarany ny anatomia sy ny fiziolozian’ny olombelona. Nino mafy Mpamorona iray izy, nefa ny mpianatra dia nametraka fanontaniana ny amin’ny fivoarana miandalana.”

Rehefa nahazo teo am-pelatanany ny boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? ity mpianatra taloha ity, dia nieritreritra an’io mpampianatra io izy ka nandefa anankiray tamin’izany ho azy. Namaly tamin’ireto teny vitsivitsy ireto ilay mpampianatra:

“Efa ho eo amin’ny antsasak’ilay boky aho ary, araka ny niheverako azy, dia izany indrindra no karazam-boky fakan-teny izay niriko matetika hananana mba hanohanana ny zavatra inoako. Araka ny hevitro dia tsara dia tsara izy io! Tsara ny fisehoany sady be fanamarinana Ireo fikarohana rehetra niriko hananana fotoana ny hanaovana azy, dia natao ho ahy! Ambonin’izany, dia nanohina ahy ianao tamin’ny namantaranao fa izany no karazam-boky tiako hananana. Misaotra indrindra!”

Angamba ho tianao koa ny hanana boky, izay miaro tsara ny famoronana. Azonao atao ny mahazo ny boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? amin’ny famenoana ny tapakila famaliana etsy ambany sy amin’ny fandefasana azy miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 300 ariary.

Aza fady mba alefaso ho ahy tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana ny zavatra, ny boky 256 pejy hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. Indro alefako ny fandraisana anjara an-tsitrapo 300 ariary.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara