FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/11 p. 32
  • Gaga izy ireo nahita ahy namaky azy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Gaga izy ireo nahita ahy namaky azy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/11 p. 32

Gaga izy ireo nahita ahy namaky azy

Nanoratra toy izao ny zatovolahy Filipiana iray: “Ao anatin’ny taona voalohany amin’ny fianarako ao amin’ny “lycée” aho ary mpivavaka mafana fo ao amin’ny fivavahana katolika. Rehefa nampahafantatra ahy ny gazety Réveillez-vous! sy Ny Tilikambo Fiambenana ny namana anankiray, dia nanaiky handray izany aho. Hitako ho tena nahaliana izy ireo na dia natontan’ny Vavolombelon’i Jehovah aza. Gaga ireo namako nahita ahy namaky azy tao amin’ny efitrano fianarana, satria fantany fa katolika aho. Nomeko anankiray tamin’izany izy ireo ka nankasitraka ny famakiana azy koa. Nahaliana mafy an’ilay mpampianatra katesizy ahy koa io gazety io, satria namaofivaofy ny amin’ny fikororosiana ara-pitondrantena amin’ny andro ankehitriny izy io. Antenaiko fa hanohy hanonta pirinty ireo gazety ireo ianareo.”

Mety hanampy ny tenanao hahita ireo fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly koa ireo gazety ireo. Mba hahazoana azy any an-tranonao, dia ampy ny mameno sy mamerina ny tapakila eto ambany hampiarahina amin’ny vola 23 920 FMG (fiaramanidina).

Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! aho. Arotsako ny fandraisana anjara an-tsitrapo 23 920 FMG (fiaramanidina) ao amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara