FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/11 p. 32
  • 1986 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1986 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/11 p. 32

1986 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah

ITALIA: Nandritra ny taom-piasana lasa, ny fankasitrahantsika noho ireo zava-tsoa rehetra omen’i Jehovah ho an’ireo mpanompony mahatoky dia nitombo. Tamin’ny volana aogositra, dia mpitory 127 526 no nandany hery tamin’ny asan’ilay Fanjakana. Tamin’ny may, ny fitambaran’ny mpitory maharitra mandavantaona dia nihoatra 72 isan-jato noho ny voasoratra tamin’ny taon-dasa. Ankoatr’izany, dia olona 275 902 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Izany dia fisehoan-javatra iray tsara homarihina rehefa heverina fa tany amin’ny 30 taona teo aloha dia olona 4 531 monja no nivory tao amin’ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehoah tao Italia!

Ilaintsika ny mitory ny vaovao tsara tsy misy fanavakavahana, tsy manao tsirambina na amin’iza na amin’iza ary amin’ny fitadidiana fa Jehovah dia mamaky ao amin’ireo fo. Hatramin’ny taona maro, dia nisy mpimamo lava izay nantsoina hoe “le Vitrier” tao Venise. Raha teo ambany herin’ny alikaola, io lehilahy io dia niboridana teny imasom-bahoaka, ary rehefa nanandrana nisambotra azy ny paolisy, dia niantoraka tany amin’ny fitaratry ny trano fivarotana iray izy, ka izany no nahatonga ny anaram-bositra. Niaina tao amin’ny efitrano maloto iray izy. Nefa, rehefa tonga nitsidika azy ny Vavolombelona dia nandray ny fahamarinana tamin-kafanam-po izy. Rehefa niverina nitsidika azy izy ireo, dia nijanona ora telo tao aminy. Tena nandroso haingana izy. Nitsahatra tsy nifoka sigara sy nisotro izy. Nariany ny bokin-tsary maloto nangoniny. Nanomboka haingana nanatrika ireo fivoriana izy. Nanampy azy hanadio sy handoko ilay efitranony ireo rahalahy. Izany rehetra izany dia nanome fanambarana tsara tokoa tamin’ireo namany sy ny manodidina azy. Rehefa nifankahita taminy tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny iray tamin’ireo namany taloha, dia nihiaka hoe: ‘Raha toa le Vitrier ka afaka niova toy izao, izaho koa dia azoko atao ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah!’ Tamin’izay izy dia nangataka ireo rahalahy mba hitsidika azy. Tsy azo lavina fa ireo hevitra sy ireo lalan’ny Jehovah dia avo noho ny an’ny olona! — Isaia 55:6-8; Rom. 11:33.

NORVEGE: Hatramin’ny fotoana kelikely izay, ny anabavy iray dia nitondra gazety ho an’ny lehilahy be taona iray. Izy io dia niseho hatrany ho malemy fanahy, nefa zara raha novohany ho azy ny varavarana. Tena ilaina ve ny hisahiranana hanohy? Indray andro, ny mpitory avy amin’ny faritra hafa iray dia nifanehatra tamin’ny ramatoa iray izay nahafantatra avy hatrany ireo gazety ary dia nanasa azy ireo mba hiditra. Niaraka tamin’ny vadiny dia nanomboka nianatra ny Baiboly izy; nandroso haingana izy roa ka natao batisa. Fa inona no nanampy ho amin’io vokatra io? Io ramatoa io dia zanak’ilay lehilahy be taona izay vao avy noresahinay taminareo teo. Hatramin’ny taona maro, izy io dia niresaka taminy ny fanantenana kanto izay atolotry ny Baiboly ho an’ny olombelona ary dia nasehony azy ny fomba azon’ny Ny Tilikambo Fiambenana nanampiana azy hahita valin’ireo fanontaniany.

IRLANDY: Ny 1 sy 2 jona, dia naorina tany Irlandy ny Efitrano Fanjakana voalohany vita haingana. Niresaka betsaka momba izany ny fahita-lavitra. Nisy gazety iray nanome lohateny toy izao tamin’ny sora-baventy: “Nanorina trano Jehovah — tao anatin’ny 30 ora.”

Nisy olona sasany izay, tsy liana taloha, nijery indray ny toerany. Ny zatovovavy iray nanana zanak’olo-mpiraitampo taminy tonga Vavolombelona dia tsy nitady afa-tsy ny hanaporofo tamin’izy io fa diso izy. Koa satria ny ady hevitr’izy ireo dia niafara hatrany tamin’ny fifandirana, dia tapa-kevitra izy ireo fa tsy hikasika intsony io foto-kevitra io. Tatỳ aoriana, rehefa avy nanapaka ny fifandraisany tamin’ny zazalahy izay niarahany izy, io zatovovavy io dia nanandrana namono tena tamin’ny fihinanana zava-mahadomelina tafahoatra. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana izy. Indray andro noho ny torohevitra avy amin’ny anabavy hafa iray, ilay zanak’olo-mpiraitampo taminy dia tonga nijery azy rehefa niverina avy amin’ny fitoriana. Rehefa nanazava taminy izay nataony nandritra ny andro izy, ilay niresaka taminy dia niteny fa angamba izy hanatrika fivoriana iray noho ny fitiavana ta-hahita zavatra fotsiny. Ilay anabavintsika dia tokony hanao famelabelarana iray amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, ary ilay zanak’olom-pitaitampo aminy dia nanaiky ny ho tonga any amin’ny efitrano amin’io fisehoan-javatra io. Afa-tsy izany, izy dia namela ho azy santionany iray tamin’ny boky Hiaina mandrakizay. Roa andro taorian’izay dia nanaiky hianatra ny Baiboly ilay zanak’olo-mpitaitampo aminy. Amin’izao fotoana izao, izy io dia mandray anjara koa amin’ny fitoriana.

[Loharanon-kevitra]

Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1986 (anglisy)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara