Ilay Zava-nitranga Lehibe Indrindra teo Amin’ny Tantara
Ny fahafatesan’i Jesosy Kristy ilay zava-nitranga. Nahoana no toy izany?
Nanamarina ny fiandrianan’Andriamanitra izy io, ary nanaporofo fa afaka mitana tsy fivadihana tanteraka amin’Andriamanitra ny olombelona iray. Nanokatra ho an’ny olombelona ilay fahatsinjovana fiainana mandrakizay ao amin’ny toe-piainana toy ny paradisa izy io. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanorina ny fahatsiarovana ny nahafatesany tamin’ilay alina nialoha ny hahafatesany. Fombafomba tsotra ilay izy. Nandritra izany, dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Izao no ataovinareo [hatrany, NW ] ho fahatsiarovana Ahy”. — Lioka 22:19, 20.
Hahatsiaro izany ve ianao? Manasa anao hiara-mankalaza aminy io zava-nitranga lehibe indrindra teo amin’ny tantara io ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ity taona ity, dia ny talata 6 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, io daty io.
Mba anontanio any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao, aza fady, ny amin’ny fotoana sy ny toerana marina. Tsy hisy rakitra hotantazana, ary ireo mpitsidika dia asaina mba hihaino lahateny iray ahitana fianarana sy handinika ilay fanaovan-javatra tsotra.