FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/10 p. 32
  • ‘Aza Malahelo Tahaka ny Sasany’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Aza Malahelo Tahaka ny Sasany’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/10 p. 32

‘Aza Malahelo Tahaka ny Sasany’

EFA mba voamarikao ve ny fomba toa ilofihan’ny voninkazo iray taorian’ny niaretana sady nahatafavoahany soa aman-tsara tamin’ny oram-baratra iray? Amin’ny lafiny iray dia fahitana manohina ny fo izany. Rehefa dinihina tokoa, ilay oram-batravatra dia azo inoana fa nanery biby sy olona tsy voatanisa — zavaboary mafy lavitra noho ny voninkazo — hitsoriaka hitady fialofana. Kanefa, nijoro teo ilay voninkazo, namahatra tamin’ny fakany, niatrika ny fisafoahana fenon’ilay toetr’andro. Izao, dia indro izy tsy simba, milofika nefa tsy potika, mampiseho tanjaka izay mifanohitra amin’ny toetoetrany ivelany marefo. Mety hanontany tena ianao, rehefa mandinika azy amim-pahatalanjonana, raha mbola hahazo ny tanjany indray izy ary hampitraka indray ny lohany mahafatifaty ho amin’ny lanitra.

Misy fitoviana be dia be amin’izany ny olona. Amin’izao fotoana mikorontana izao, dia miatrika fisafotofotoana karazany maro isika. Fahasahiranana ara-toe-karena, fahaketrahana, fahasalamana tsizarizary, ny famoizana olon-tiana iray amin’ny fahafatesana — ireny fisavorovoroana ireny dia mamely mafy antsika rehetra amin’ny fotoana iray na amin’ny fotoana hafa, ary indraindray isika dia tsy afaka manalavitra azy ireny intsony toy ilay voninkazo tsy afaka manongotra ny tenany ka hihazakazaka hitady fialofana. Manohina ny fo ny mahita olona sasany, izay toa tena malemilemy, mampiseho tanjaka mahagaga ary miaritra ireny famelezana amin-kalozana ireny. Ahoana no anaovany izany? Matetika ny fanalahidiny dia ny finoana. Nanoratra toy izao i Jakoba, rahalahin’i Jesosy Kristy iray reny taminy: “Fantatrareo fa rehefa mahomby amin’ny fiatrehana ireny fisedrana ireny ny finoanareo, ny vokany dia ny fahaiza-miaritra.” — Jakoba 1:3, Today’s English Version.

Ny fanalahidiny hafa iray dia ny fanantenana. Rehefa mamely ny olon-tiana iray ny fahafatesana, ohatra, ny fanantenana dia afaka mahatonga tsy fitoviana lehibe ho an’ireo mbola velona. Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana tany Tesalonika ny apostoly Paoly: “Tsy tianay tsy ho fantatrareo (...) ny amin’izay modimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.” (1 Tesaloniana 4:13). Na dia tena malahelo tokoa aza ireo Kristiana noho ny fahafatesana, dia misy ny tsy fitoviana. Manana fahalalana araka ny marina momba ny toetran’ny maty sy momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty izy ireo. — Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

Manome fanantenana azy ireo io fahalalana io. Ary ho setriny, izany fanantenana izany dia manalefaka miandalana ny alahelony. Manampy azy ireo hiaritra izy io, ary mihoatra noho izany aza. Rehefa mandeha ny fotoana, tahaka ilay voninkazo nandalovan’ny oram-baratra, dia mety hampitraka ny lohany hiala amin’ny alahelo izy ireo ary hahita fifaliana sy fahafenoana indray eo amin’ny fiainana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara