Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Midera An’Andriamanitra Ireo Tanora any Amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo
TAONJATO maro lasa izay, ny mpanao salamo dia nanasa tamim-pitiavana ireo tanora mba hidera koa an’ilay Mpanjaka mandrakizay. Hoy izy: “Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora, — samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra”. (Salamo 148:12, 13). Manasongadina an’io tombontsoa tsy manan-tsahala io ireto fanandraman-javatra manaraka avy any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ireto.
• Nanohina tsara ny fon’ny tompon-tranon’ny mpisava lalana maharitra iray ny fitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia namela ireo Vavolombelona hiara-mianatra ny Baiboly tamin’i Fifi, zanany vavy dimy taona, izy. Rehefa nahita ny fandrosoan’i Fifi tamin’ny fianarana Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baibolya ny rainy, dia namela azy hanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tany, i Fifi kely dia nianatra ny hiran’ilay Fanjakana avy tao amin’ny boky fihiranan’ireo Vavolombelona. Tiany indrindra ny hira faha-4, mitondra ny lohateny hoe “Ny Fampanantenan’Andriamanitra Paradisa”.
Indray andro, dia nanapa-kevitra ny rain’i Fifi ny hitondra azy tany amin’ny fiangonany. Akory ny hagagan’ny rehetra, rehefa nanda tsy hihira ny hiram-piangonana i Fifi. Nahoana? Satria tsapany fa ireo hira nohiraina tao amin’ny fiangonan-drainy dia tsy nifanaraka tamin’izay nianarany tamin’ny fianarany Baiboly. Nihira ilay hiran’ilay Fanjakana tiany indrindra tamin-kerim-po kosa izy.
Taorian’ny fanandramana tsy nahomby maromaro hanova ny sainy, ireo mpitarika ny fiangonana dia nanapa-kevitra ny hanongana an’i Fifi, dimy taona! Na dia teo aza io fitondrana tamin’ny fomba ratsy io, dia nitoetra ho tony ny rainy. Nirehareha noho ny amin’i Fifi izay niandany mafy tamin’izay ninoany, izy. Na ny rainy na ny reniny dia samy naniry an’i Fifi mba hanohy hifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
• Rehefa nanapa-kevitra ny hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zatovolahy iray nantsoina hoe Lukodi, dia tena nanohitra be ny rainy. Indray mandeha, rehefa niomana mba handeha hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana i Lukodi, dia nandrahona azy tamin’ny antsibe ny rainy. Tamin’ny fotoana hafa iray ny rain’i Lukodi dia nikapoka azy tamin’ny tsora-kazo, ka nahatonga ratra lalina teo amin’ny lamosiny. Na dia teo aza io fanoherana faran’izay mafy io, dia nifikitra mafy tamin’ny fanapahan-keviny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah i Lukodi. Nanohy nanao fandrosoana izy ary natao batisa. Mpisava lalana maharitra izy izao.
Nanohina ny fon’i Sona, zandrin’i Lukodi vavy, ny fijoroan’ny anadahiny, hany ka nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy. Kanefa, mba hisakanana azy tsy hianatra, dia nandefa an’i Sona tany amin’ny sekoly tany amin’ny tanàna hafa iray tsy nisy Vavolombelona ny rain’izy ireo. Na dia izany aza, dia nanao ho fahazarana ny hiresaka tamin’ny hafa momba izay nianarany izy. Ho vokatr’izany, dia nanjary liana koa ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy.
Rehefa nahare momba ny asa fitorian’i Sona ireo Vavolombelona tao amin’ny tanàna iray teo akaiky, dia tonga nitsidika azy izy ireo ary nandamina ny hianarany Baiboly tsy tapaka tany an-tokantrano. Nanohy nanao fandrosoana izy, ary tsy ela dia tonga Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa, sahala amin’ny anadahiny. Fanampin’izany, dia mpitory tsy vita batisa izao ilay zanak’olo-mpiray tam-po aminy, ary misy fianarana ny boky ao amin’io tanàna io.
Tena mahatalanjona sy mamelombelona mihitsy rehefa midera an’i Jehovah koa ireo tanora!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.