Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mitarika ho Amin’ny Fitahian’Andriamanitra ny Fiaretana any Malawi
MPANOMPO nahatokin’i Jehovah i Josefa. (Hebreo 11:22). Lehilahy nanana fiaretana niavaka ihany koa izy. Na dia namadika azy aza ny rahalahiny ka namidy ho andevo indroa izy, ary tatỳ aoriana dia natao an-tranomaizina noho ny fiampangana diso, dia tsy namoy fo i Josefa. Niaritra ireo taom-pahoriana tamim-paharetana kosa izy, ary niandry tamim-panetren-tena ny fitahian’i Jehovah. — Genesisy 37:23-28, 36; 39:11-20.
Toy izany koa amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah any Malawi dia niandry tamim-paharetana ny fitahian’i Jehovah. Nandritra ny 26 taona, ireny Vavolombelona kristiana ireny dia niaritra fandrarana avy tamin’ny fitondram-panjakana, sy fanoherana nahery vaika, ary habibiana maro. Novalian-tsoa anefa ny fiaretan’izy ireo.
Rehefa nipoaka ny fanenjehana tany Malawi tamin’ny faran’ny 1967, dia nisy teo amin’ny 18 000 teo ho eo ny mpitory ilay Fanjakana. Alao sary an-tsaina ny fifalian’ireo Vavolombelona nahafantatra fa ny taom-panompoana 1997 dia nanomboka tamin’ny tampon’isa vaovao teo amin’ny isan’ny mpitory, dia 38 393 — nihoatra ny avo roa heny noho ny isany tany am-piandohan’ny fandrarana! Ambonin’izany, ny mpanatrika ireo Fivoriamben’ny Distrika 13 “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” nalamina tany Malawi dia tafakatra ho maherin’ny 117 000. Tena nitahy ny finoan’izy ireo sy ny fiaretany tokoa i Jehovah.
Ny ohatra iray ny amin’io fitahiana io dia ny fanandraman-javatra hitan’ny zazalahy iray, 14 taona, antsoina hoe Machaka. Rehefa nanaiky ny fanolorana ny hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Machaka, dia tezitra be ny ray aman-dreniny. Hoy izy ireo: “Raha te ho tonga Vavolombelona ianao, dia tsy maintsy miala ato an-trano.” Tsy nanakivy an’i Machaka tsy hanohy ny fianarany anefa io fandrahonana io. Ho vokatr’izany, dia notazonin’ny ray aman-dreniny ny akanjony rehetra. Nanampy ireo rahalahy tamin’ny fividianana akanjo hafa ho azy. Rehefa fantatry ny ray aman-drenin’i Machaka izany dia hoy izy ireo taminy: “Raha ireo Vavolombelona no hamelona anao dia mialà eto ianao ary mandehana miara-mipetraka aminy.” Rehefa avy nandinika ilay raharaha tamim-pitandremana i Machaka, dia niala tao an-trano, ary dia nandray azy ny fianakaviana Vavolombelona iray tao amin’ny kongregasiona teo an-toerana.
Sorena aoka izany ny ray aman-drenin’i Machaka, hany ka nanapa-kevitra ny handao ilay toerana mba hanalavirana ny fifandraisana rehetra tamin’ireo Vavolombelona. Mazava ho azy fa ory noho izany i Machaka, nefa nahita fampiononana lehibe izy rehefa niarahan’ireo rahalahy nodinihina taminy ny Salamo 27:10, izay manao toy izao: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.”
Tamin’ny farany, dia nihanalefaka ny ray aman-drenin’i Machaka, ary nanapa-kevitra ny hody izy. Niharihary fa ny fanapahan-kevitry ny zanany hanompo an’i Jehovah dia nanohina lalina azy ireo, satria naniry hiara-mianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo! Nanatrika ny andro rehetra tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” ihany koa izy ireo, ka taorian’izany dia voatosika hanambara hoe: “Tena itỳ marina no fandaminan’Andriamanitra.”
Eny, mety hisedra ny fanoherana, kanefa ireo mpitondra hafatr’Andriamanitra tsy mivadika dia tsy kivy. Mandroso amin-kerim-po izy ireo, noho ny fahafantarana fa “ny fahoriana mahatonga [fiaretana, NW ]; ary ny [fiaretana, NW ] mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra”. (Romana 5:3, 4). Ny Vavolombelon’i Jehovah any Malawi dia afaka manamarina ara-drariny fa ny fiaretana dia mitarika ho amin’ny fitahian’Andriamanitra.