FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/5 p. 8
  • Afaka ny ho Tafavoaka Velona koa Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka ny ho Tafavoaka Velona koa Ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena Miandry ny Andron’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • ‘Ataovy An-tsaina Foana ny Fanatrehan’ny Andron’i Jehovah’
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Vonona ho Amin’ny Andron’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Inona no Hitranga Amin’ny Andron’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/5 p. 8
Vavolombelon’i Jehovah miresaka momba ny Baiboly amin’ny vehivavy iray

MATOAN-DAHATSORATRA | EFA AKAIKY VE NY FARA ANDRO?

Afaka ny ho Tafavoaka Velona koa Ianao

Hoy ny Baiboly momba ny zavatra hitranga amin’ny farany: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny ... Raha tsy nohafohezina tokoa mantsy izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena.” (Matio 24:21, 22) Be dia be anefa ny ho tafavoaka velona satria mampanantena Andriamanitra hoe: ‘Mandalo izao tontolo izao, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.’—1 Jaona 2:17.

Inona no tokony hataonao raha tianao ny ho anisan’ny ‘haharitra mandrakizay’? Tokony hanangona sakafo na zavatra hafa ve ianao? Tsia. Izao kosa no lazain’ny Baiboly: “Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha mbola miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah!” (2 Petera 3:10-12) Rehefa jerena ny teny manodidina, dia tafiditra amin’ilay hoe “zavatra rehetra” ho levona ireo mpitondra eto amin’ity tontolo ratsy ity sy izay mifidy ny hanohana azy fa tsy hanohana an’Andriamanitra. Mety ho voavonjy amin’izany ve isika raha nanangona sakafo sy zavatra hafa? Tsia.

Ho voavonjy kosa isika raha mahafoy tena ho an’i Jehovah Andriamanitra ary mampifaly azy ny fitondran-tenantsika. (Zefania 2:3) Aleo àry “manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah”, toy izay hanaraka ny besinimaro ka tsy hiraharaha ny famantarana hoe efa andro farany izao. Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah aseho anao ao amin’ny Baiboly izay tokony hataonao mba ho voavonjy ianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara