Fampandrensana
* Zavatra atolotra amin’ny martsa: Boky fanao am-paosy tranainy amin’ny sarany 300 FMG ny iray.
* Zavatra atolotra ny may 1990: Famandrihana herintaona amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana na La Tour de Garde na Réveillez-vous! amin’ny sarany 14.650 FMG (Par Avion). Ny mpitory maharitra dia handrotsaka 12.650 FMG amin’ny mpikarakara. Raha toa ka lavina ny fanolorana dia azo atao ny manolotra gazety roa miaraka amin’ny bokikely iray, ohatra Mifalia (na bokikely mitovy vidy aminy) amin’ny sarany 540 FMG.
* Ny kaontin’ny kongregasiona dia tokony hamarinin’ny mpiandraikitra prezidà na olona iray voatendriny ny 1 martsa na ariana kelin’io daty io.