Vaovao teokratika
* Ny fivoriambe manokana natao tany Antsiranana tamin’ny 3 desambra 1989 dia nahitana mpanatrika 345.
* Ny fivoriamben’ny fizaran-tany 2E izay natao teto Antananarivo tamin’ny 21 sy 22 aprily 1990 dia nahitana mpanatrika 927 ary 11 no natao batisa.
* Ny fivoriamben’ny fizaran-tany 2F izay natao teto Antananarivo tamin’ny 12 sy 13 may 1990 dia nahitana mpanatrika 819 ary 10 no natao batisa.
* Ny fivoriamben’ny fizaran-tany 4E izay natao teto Avarabohitra Antananarivo dia nahitana mpanatrika 1098 ary 12 no natao batisa. Natao izany tamin’ny 19 sy 20 may 1990 ary nahitana solontena avy tany Ankiaka sy Ambatolampy ary Soavinimerina.
* Tamin’ny 14 martsa 1990, ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina (Alemaina Atsinanana) dia namoaka didy nanome fahafahana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’izany tany izany, ary manjary ara-dalàna indray ny asan’izy ireo. Isaorana an’i Jehovah fa ireo rahalahintsika any dia mandray anjara malalaka amim-pifaliana sy amin-jotom-po amin’ny fanompoana.