Famerenana an-tsoratra ny fianarana ny fanompoana teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanelanelana ny 6 May sy ny 19 Aogositra 1991. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana izay valinteny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe “Marina” na “diso” ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Ireo fakàn-teny nataon’i Jesosy sy ireo mpanoratra ny Soratra grika kristiana nahazo tsindrimandry dia manolotra fomba mivantana hanaporofoana ny fahamarinan’ny boky tsirairay avy ao amin’ny Soratra hebreo. [5, siF p. 291 #9]
2. Natao nanomboka tamin’ny 1513 al.fan.ir. ireo soratra voalohany ao amin’ny Soratra hebreo ka nifarana taoriana kelin’ny 443 al.fan.ir., nefa, araka ny ahafantarana azy, dia tsy misy na dia iray amin’izy ireny aza mbola any ankehitriny. [7, siF p. 296 #2]
3. Na dia misy sora-tanana amin’ny Soratra hebreo eo amin’ny 6000 eo ho eo aza amin’izao andro izao, dia tsy misy na dia iray amin’izy ireny aza talohan’ny taonjato faha-10 am.fan.ir. [7, siF p. 297 #5]
4. Tamin’ny voalohany, ny anaran’Andriamanitra dia hita tao amin’ny toerana samihafa tao amin’ny Septante. [8, siF p. 298 #13]
5. Ny Baibolin’i Robert Estienne amin’ny fiteny frantsay tamin’ny taonjato faha-16 no nampiseho voalohany indrindra ny fizarazarana ny Baiboly manontolo ho toko sy andininy fantatra ankehitriny. [13, siF p. 309 #19]
6. Rehefa hovahana ireo rivotra efatra mahatonga ny fahoriana dia ho efa voaisy tombo-kase amin’ny fomba raikitra ny mpikambana amin’ny Isiraely ara-panahy rehetra. Na dia mbola hisy vitsy aminy aza ho velona ao amin’ny nofo, ny isan’ny mpikambana rehetra ao aminy dia ho efa feno. (Apok. 7:3) [Fam. Bai.; zahao re p. 116 #9.]
7. Manondro ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny ankapobeny ny Apokalypsy 20:5a. [7, Fam. Bai.; zahao re p. 290 #15.]
8. Araka ny Genesisy 6:5, 6 dia nisy fotoana nanenenan’Andriamanitra noho ny namoronany ny olombelona. [9, Fam. Bai.; zahao gF 22/07/77 p. 27-28.]
9. Raha nihomehy i Abrahama (ary tatỳ aoriana i Saraha) rehefa nieritreritra fa mety hanan-janaka izy amin’ny andron’ny fahanterany dia tsy hoe tsy fahampiam-pinoana ny fihomehezany. (Gen. 17:17) [13, Fam. Bai.; zahao wMG 1/10/89 p. 21 #15.]
10. Nanantitrantitra ny amin’ny tsy hanambadian’ny zanany vehivavy Kananita i Abrahama satria ny Kananita dia tsy mpivavaka tamin’i Jehovah. (Gen. 24:1-4) [15, Fam. Bai.; zahao wMG 1/10/89 p. 25 #6.]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Tokony hisy vokany inona eo amintsika moa ny fianarana ny Baiboly sy ny fandinihana ny asan’ilay Mpanao fotoana Lehibe, dia i Jehovah? [1, siF p. 273 #15]
12. Iza moa ireo mpanora-dalàna na Soferima? [9, siF p. 299 #17]
13. Inona moa no atao hoe kôdeksa? [11, siF p. 306 #5]
14. Lafin-javatra inona no nandray anjara lehibe tamin’ny fitomboan’ny fizarana Baiboly nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19? [15, siF p. 312 #3]
15. Iza moa no asehon’ny miaramila an-tsoavaly an’aliny maro voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 9:16-19? [3, Fam. Bai.; zahao re p. 152 #14, 15.]
16. Inona no dikan’ny fitenenana hita ao amin’ny Apokalypsy 17:13 hoe : “miray saina”? [6, Fam. Bai.; zahao re p. 255 #13.]
17. Ahoana no nampitan’ilay menarana tao Edena ilay fakam-panahy tamin’i Eva? (Gen. 3:1) [8, Fam. Bai.; zahao wMG 1/3/85 p. 31.]
18. Ahoana no tokony handraisana ny hevitry ny Genesisy 9:5 izay itenenan’Andriamanitra fa ‘hanadina ny ra’ amin’ny biby iray izay namono olona izy? [10, Fam. Bai.; zahao wMG 75 p. 639.]
19. Nahoana i Isaka no nampiseho an’i Rebeka ho toy ny anabaviny? (Gen. 26:9) [16, Fam. Bai.; zahao wMG 1/6/85 p. 32 #8.]
Fenoy amin’izay teny na fitambaran-teny mifanitsy aminy ny banga amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
20. “Ny taona faha-roapolo nanjakan’i Artaksersesy” dia ny taona ․․․․․․․․ . (Neh. 2:1-8) [2, siF p. 279 #18, 19]
21. Ny farany tamin’ireo apostoly, izay maty tany amin’ny taona 100 am.fan.ir. tany ho any, dia i ․․․․․․․․ . [3, siF p. 281 #29]
22. Ny fitambarana na lisitry ny boky nekena fa Soratra marina sy ara-tsindrimandry dia lazaina matetika ․․․․․․․․ ho an’ny Baiboly. [4, siF p. 290 #5]
23. Ny vanim-potoana nanomboka tany amin’ny taonjato faha-4 al.fan.ir. tany ho any ka hatramin’ny taonjato faha-6 am.fan.ir tany ho any dia fantatra ho ny fotoana nampiasana ny ․․․․․․․․ , na fiteny grika nahazatra. [11, siF p. 307 #6]
24. Ny tranainy indrindra amin’ireo sora-tanana amin’ny Soratra grika kristiana an’arivony maro azo ampiasaina dia ny sombintsombin’ny “papyrus” (karazan-jozoro natao solon-taratasy fahiny) ․․․․․․․․ misy ny ao amin’ny tranom-boky John Rylands ao Manchester, any Angletera; mety ho natao tany amin’ny taona 125 am.fan.ir. tany ho any izy io. [12, siF p. 307 #11]
25. Niorina tamin’ny Soratra grika nohatsaraina nataon’i ․․․․․․․․ ny tapany amin’ny Soratra grika kristiana amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao. [13, siF p. 309 #22]
Fanteno izay valiny marina amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Ny fitambaran’ny boky rehetra (canon) ao amin’ny Soratra hebreo dia vita tanteraka tamin’ny faran’ny taonjato faha-(folo; dimy; roa) al.fan.ir. [5, siF p. 291 #10]
27. Ny fitambaram-boky voalohandohany fantatra amin’ny anarana hoe “Muratorian Fragment” dia natao tamin’ny taonjato faha-(roa; dimy; valo) am.fan.ir. [6, siF p. 293 #19]
28. Ny soratra fototra nampiasaina ho amin’ny fizarana amin’ny teny hebreo amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia (ny Baiboly faharoan’ireo raby; ny soratra tany am-boalohany nataon’i C.D. Ginsburg; ny Biblia Hebraica an’i Kittel). [10, siF p. 303 #28]
29. Tamin’ny 1902, ny Fikambanana Watch Tower dia nanjary nanana ny fahefana ho tompony sy hany mpamoaka ary mpampiely ny (Emphatic Diaglott; Ny Baiboly Beriana; ny American Standard Version). [16, siF p. 313 #10]
30. Miharihary fa ilay “anjely mahery” (Apok. 10:1) dia manondro an’i (Gabriela; Satana; Jesosy Kristy nomem-boninahitra). [4, Fam. Bai.; zahao re p. 155 #3.]
Ampifanandrifio amin’ny fanambarana eto ambany ireto toko sy andininy manaraka ireto:
Gen. 15:1-4; Gen. 21:8-14; Gen. 22:17, 18; Apok. 1:10; Apok. 14:16.
31. .Ireo mpanao fikarohana ny any ambanin’ny tany dia nahita takela-tanimanga manamarina ny fomba fanao toy ny hoe tonga mpandova an’ireo mpivady tsy nanan-janaka ny mpanompo. [12, Fam. Bai.; zahao wMG 1/4/81 p. 6.]
32. Nanomboka tamin’ny 1919, dia namita ny fijinjana ireo sisa i Jesosy sy ireo anjeliny, ary nanomboka tamin’ny vanim-potoana 1931-1935, ny vahoaka betsaka dia nojinjaina. [5, Fam. Bai.; zahao re p. 212 #23.]
33. Io dia nampiseho ny fomba namaranan’ilay Abrahama Lehibe ny fifandraisany tamin’ny Isiraely araka ny nofo noho izy io nanda an’i Jesosy Kristy, ilay tena Taranak’i Abrahama. [14, Fam. Bai.; zahao wMG 1/10/89 p. 21 #16.]
34. Nanomboka tamin’ny fanomezam-boninahitra an’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra azy io vanim-potoana io ka hifarana rehefa hanolotra ny Fanjakana amin’Andriamaniny sady Rainy izy. [1, Fam. Bai; zahao re p. 22 #2.]
35. Fanekena mihatra amin’ny ankilany ihany io. [14, Fam. Bai.; zahao wMG 1/5/89 p. 11 #8, 9.]