Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Jolay: Na iza na iza amin’ireto bokikely ireto: Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay!, “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”, Tokony hino ny Trinite ve ianao?, Ny anaran’Andriamanitra izay haharitra mandrakizay, na Ny fitondram-panjakana izay hitondra ny Paradisa, amin’ny sarany 240 FMG. Aogositra: Ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, amin’ny sarany 2 400 FMG sy 1 200 FMG. Septambra: Ny boky Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly, amin’ny sarany 2 400 FMG. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona mbola tsy nanafatra ireo zavatra hatolotra eo amin’ny asa fanompoana ireo dia tokony hanao izany amin’ny Taratasy fanafarana zavatra vita an-tsoratra (S-AB-14) manaraka.
◼ Manomboka amin’ny Septambra, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hanao ny lahateny ampahibemaso mitondra ny lohateny hoe “Aoka isika hanadio tena amin’ireo fahalotoan’izao tontolo izao”.