Azo Fohazina Indray ve ny Fahalianan’izy Ireo?
1 “Sambatra izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy.” (Matio 5:3, NW). Misy heviny lehibe dia lehibe ireo tenin’i Jesosy tao amin’ny Toriteny Teny An-tendrombohitra ireo. Tsy maro ny olona mahatakatra fa mila zavatra ara-panahy ny tenany mba hananana fiainana sambatra sy misy zava-kendrena. Ny sasany dia nahatsapa izany filany zavatra ara-panahy izany taloha, nefa avy eo dia nafoiny izany. Nisy zavatra nahatonga azy ireny hangatsiaka raha ny amin’ny zavatra ara-panahy. Nihodina hiala tamin’izay tena afaka hitondra soa ho azy izy ireny. Ny fanontaniana dia hoe: Azo fohazina indray ve ny fahalianan’ny olona toy izany? Soa ihany fa azo atao izany amin’ny olona sasany.
2 Mety hahafantatra ianao olona iray izay niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah taona maro lasa izay, angamba fony izy mbola kely mihitsy aza, kanefa tsy nanohy nifanerasera tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Mety ho mbola voasoritra ao an-tsain’izany olona izany anefa ny fampianarana sy fotopoto-pitsipika marina ara-baiboly sasany, ary mbola tadidiny. Miharatsy ny toe-piainana maneran-tany sady miova ny toe-javatra eo amin’ny fiainan’ny olona, hany ka manjary tsaroany ireo zavatra nianarany taloha. Mety hitodika any amin’Andriamanitra sy ho vonona ny handray fampianarana ara-baiboly fanampiny ilay olona. Ny fitsidihantsika ireny olona ireny mba hanavaozana indray ilay fampianarana Baiboly dia mety hahitam-bokatra aoka izany.
3 Tena tokony hisy ezaka hatao mba hitsidihana tsindraindray ireo nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Ampahafantaro azy fa tena miahy amim-pahatsorana ny amin’ny fahasalamany ara-panahy ianao, ary manolora ny hianatra Baiboly miaraka aminy. Tokony hisy ezaka manokana hatao koa mba hanampiana ireo izay nanatrika koa ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana” natao vao haingana. Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety hahasoa kokoa raha mpitory hafa no mitsidika olona iray izay natsahatra ny fianarany noho izy tsy nandroso.
4 Mazava ho azy fa antenaina amin’ireo olona miara-mianatra amintsika ny handraisany ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ho toy ny zava-dehibe sy ny hanehoany fahazotoana amin’ny fianarany ny Baiboly. Fa raha ny amintsika kosa, dia maniry ny hanao izay hahazoana antoka isika fa nanao ezaka ampy mba hanampiana azy ireny. Hanao izay hahazoana antoka koa isika fa afaka ny hitovy fihetseham-po amin’ny apostoly Paoly izay nilaza hoe: “Afaka amin’ny ranareo rehetra aho.” — Asan’ny Apostoly 20:26.