Fampandrenesana
◼ Zavatra hatolotra amin’ny Oktobra: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na amin’ny Réveillez-vous! na amin’izy roa miaraka. Novambra: Ny Fahatanoranao, amin’ny sarany 1 000 FMG (750 FMG ho an’ny mpisava lalana). Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). Janoary: Ny boky Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra (na frantsay na malagasy), amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG ho an’ny mpisava lalana). Handefa taratasy manokana ho an’ny kongregasiona ny sampana hanaovana tatitra ny isan’ny boky Vaovao Tsara nalain’ny mpitory sy ny mpisava lalana. Afaka manafatra amin’io boky io atỳ amin’ny sampana ireo kongregasiona. Ary rehefa tapitra ny tahiriny, dia afaka manolotra boky hafa amin’ny sarany mahazatra ireo rahalahy. Febroary: Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay lehibe velarana, ary 1 500 FMG (1 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay kely velarana. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay mbola tsy nanafatra ireo zavatra hatolotra eo amin’ny asa fanompoana ireo dia tokony hanao izany amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) manaraka.
◼ Efa misy Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny indoneziana mivoaka indroa isam-bolana sy Mifohaza! amin’ny fiteny ewe sy indoneziana mivoaka indray mandeha isam-bolana izao. Ekena ny famandrihana amin’izy ireo.
◼ Misy Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! amin’ny fiteny arabo ao amin’ny tahirin’ny Betela. Azon’ireo mpitory mila azy ireo atao ny manafatra izany.
◼ Fanitsiana: Ampidiro ao amin’ny gazety sy bokinareo manokana aza fady ireto fanitsiana ireto:
wMG 15/9/91 p. 18 §21a and. telo farany: ny hoe “moa ve manana ny vidiny manokana sy ny fiekeny mafy manokana izy ireo” dia soloana hoe: “moa ve izy ireo manana ny fomba fiheverany manokana ny amin’izay tsara sy ny zavatra inoany mafy manokana”.
wMG 15/3/92 p. 21 §13b: ny fehezanteny roa farany dia soloana hoe: Nanohy ny teniny i Paoly ka nampiseho fa “ny mpanompon’ny Tompo” dia tsy maintsy “mahatan-tena ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy, mananatra amim-pahalemem-panahy ireo izay tsy manana fironan’ny saina tsara”. Mitaky fifehezan-tena lehibe ny fanehoana fahalemem-panahy sy ny fahatanan-tena rehefa mifampiraharaha amin’ny mpanohitra.
wMG 1/5/92 p. 27 §12f and. 11: ny hoe “fanompoan-tsampy” dia soloana hoe “spiritisma”, ka hovakina toy izao ilay fehezanteny: “Koa satria tsy manao spiritisma isika, dia afaka amin’ny fifehezan’ireo demonia.”
wMG 1/8/92 p. 17 §14a and. 12, 13: esorina ny “tsy”, ka hovakina toy izao ilay fehezanteny: “ny fiatoana kely fotsiny eo amin’ny fahaiza-manavaka”.
peMG p. 20 fanontaniana §12, ampiana hoe: “d) Fomba fihevitra diso inona momba ny fisehoan’ny Devoly no ananan’ny olona?”
peMG p. 107 §4 and. farany: ny hoe “fitsarana tany an-danitra” dia soloana hoe “kianjan’ny lanitra”.
flMG p. 99 lohatenikely: soloana hoe “Ny anjara lehiben’ny reny”.
rsMG p. 10 §3 and. 4: ny hoe “olona” dia soloana hoe “persona”.