Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). Janoary: Ny boky Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG ho an’ny mpisava lalana). Febroary: Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay be velarana, ary 1 500 FMG (1 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay kely velarana. Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona hila ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voatonona eo ambony ireo dia tokony hangataka azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Zavatra vita an-tsoratra vaovao ao amin’ny sampana:
Frantsay: Volumes reliés La Tour de Garde taona 1962, 1963, 1964, 1965, 1966, 1967. Malagasy: Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa.
◼ Tokony hanamarina ny toe-bolan’ny kongregasiona amin’ny 1 Desambra, na haingana araka izay azo atao aorian’izay, ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray notendreny.
◼ Ny Fahatsiarovana amin’ny 1994 dia ho amin’ny asabotsy 26 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Ambara aloha be ny datin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana 1994 mba hahafahan’ireo rahalahy hamandrika mialoha efitrano any ivelany, rehefa kongregasiona maro loatra no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, ka tsy maintsy mitady toerana hafa izy ireo.
◼ Fanitsiana: Ampidiro ao amin’ny bokinareo, aza fady, izao fanitsiana izao:
sgMG p. 63 §18, fehezanteny voalohany: ny hoe “ny fomba tsara indrindra dia ny tampotampoka” dia ovana hoe “ny fomba tsara indrindra dia ny lahateny an-tehaka”.