Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hasongadina amin’ny Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). Aprily sy May: Famandrihana (sambo) amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny sarany 5 000 FMG ny herintaona (2 500 FMG no haloan’ny mpisava lalana), ary 2 500 FMG ny enim-bolana (1 250 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Jona: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona hila ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voatonona eo ambony ireo dia tokony hangataka azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany amin’ny volana manaraka.
◼ Ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray notendreny dia tokony hanao ny fanamarinana ny toe-bolan’ny kongregasiona amin’ny 1 Martsa na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Raha vao vita izy io, dia manaova fampandrenesana momba azy io amin’ny kongregasiona.
◼ Ny taratasy nalefan’ny Fikambanana tamin’ny 17 Martsa 1992 ho an’ny kongregasiona rehetra dia nanambara fa hisy Vola ho An’ny Fivoriamben’ny Distrika 1993 hatao hanampiana ireo misionera hitsidika ny tany niaviany sy hanatrika ny iray amin’ireo fivoriamben’ny distrika amin’ity taona ity. Ity volana Martsa ity no ho farany handefasana ireo fanomezana any amin’ny Fikambanana ho an’ny Vola ho An’ny Fivoriamben’ny Distrika 1993. Tena ankasitrahana tokoa ny fanohananareo amim-pahalalahan-tanana.
◼ Fanitsiana: Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Febroary 1993, pejy faha-3, Fampandrenesana, lafin-javatra faharoa, faran’ny fehezanteny voalohany: Ny hoe “ny mpitantsoratra sy ny mpiandraikitra prezidà” dia ovana hoe “ny mpitantsoratra sy ny mpiandraikitra ny asa”.