Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hampiasaina mandritra ny Septambra: Hampiasaina ny boky Hiaina Mandrakizay, ary tokony hisy ezaka hatao mba hanombohana fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Oktobra: Famandrihana amin’ny Réveillez-vous! na Ny Tilikambo Fiambenana. Manaova ezaka manokana mba hametrahana gazety. Novambra: Fanolorana ny boky Manontany ny Tanora amin’ny sarany 1800 FMG (1200 FMG no haloan’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay mbola tsy nanafatra ireo zavatra hatolotra eny amin’ny saha fanompoana voalaza eo ambony dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-14) halefany manaraka.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha na ny olona iray notendreny dia tokony hanao fanamarinana ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Septambra na haingana araka izay azo atao aorian’izany. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona rehefa vita izy io.
◼ Ireo mpitory mikasa ny hanompo amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy amin’ny Oktobra dia tokony hamerina aloha ny taratasy fangatahany. Izany dia mba hahafahan’ireo loholona hanao ireo fandaharana ilaina momba ny zavatra vita an-tsoratra sy ny faritany.
◼ Ampahatsiahivina ireo loholona mba hanaraka ireo toromarika omena eo amin’ny pejy faha-21-23 tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991 momba ireo olona voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry ny horaisina indray.