FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/96 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 2/96 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra hatolotra amin’ny Febroary: Ny bokikely Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? na ny boky Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Ho an’ny faritany voasa matetika, dia azo ampiasaina koa izay bokikely rehetra (afa-tsy ny bokikely Fampianarana sy Sekoly). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny saha fanompoana voalaza eo ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-14) halefany manaraka.

◼ Tokony handinika ny asan’ny mpisava lalana maharitra rehetra ny mpitan-tsoratra sy ny mpiandraikitra ny fanompoana. Raha misy mahita fahasahiranana amin’ny famenoana ny ora takina, ireo loholona dia tokony hanao fandaharana mba hisian’ny fanomezana fanampiana. Diniho ny hevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-12-20 ao amin’ny pejy faha-3-5 amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Oktobra 1986.

◼ Ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia hatao ny talata 2 Aprily 1996. Na dia azo atomboka aloha kokoa aza ny lahateny, dia tsarovy, aza fady, fa ny fampandalovana ny mofo sy ny divay amin’ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hanomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hamarino amin’ny loharanon-kevitra eo an-toerana mba hamantarana hoe amin’ny firy no milentika ny masoandro eo amin’ny faritra misy anareo. Tsy hisy fivoriana hafa hatao ankoatra ny fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha amin’io daty io. Raha manana fivoriana efa fanao ny kongregasionanareo amin’io talata io, dia mety hirinareo ny hanova azy io ho amin’ny andro hafa amin’ny herinandro raha azo ampiasaina ny Efitrano Fanjakana.

◼ Ireo mpitory maniry hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily ary May, dia tokony hanao ny planiny dieny izao ka hamerina ny fangatahany aloha be. Izany dia hanampy ireo loholona hanao ny fandaharana ilaina ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha sy hanao izay hahampy ny gazety sy zavatra vita an-tsoratra hafa eo am-pelatanana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara