Fivoriambe Hiraisam-pirenena Amin’ny 1998
Araka ny nampandrenesina tamin’ny asabotsy 5 Oktobra 1996, tamin’ny fivoriana isan-taona fanaon’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, ny Fitambara-mpitantana dia mikasa ny handamina fivoriambe hiraisam-pirenena mandritra ny 1998. Miaraka amin’ireo fivoriamben’ny distrika mahazatra, dia hisy fivoriambe hiraisam-pirenena sasantsasany hatao any Amerika Avaratra, ary koa atỳ Afrika, any Amerika Latina, Azia, Eoropa, any amin’ny faritr’i Caraïbes ary any Pasifika Atsimo.
Hisy solontena avy amin’ny tany manontolo hasaina ho amin’ireo fivoriambe hiraisam-pirenena ireo. Afa-tsy izany koa, dia afaka manampo ny hahatongavan’ny misionera amin’izy ireny, isika. Ireo misionera sy ny hafa ao amin’ny fanompoana manokana any an-tany hafa tao anatin’ny telo taona fara fahakeliny, ka mahafeno fepetra, dia hasaina mba hanatrika ny iray amin’ireo fivoriambe ireo any amin’ny tany niaviany na any akaikiny.