“Aza Mitsahatra Manao Izao ho Fahatsiarovana Ahy”
1 Mazàna ny olona no manadino ny maha-zava-dehibe ny fotoan-dehibe sasany, rehefa mandeha ny fotoana. Izany no antony iray nandidian’i Jesosy ny mpianany toy izao rehefa nanorina ny “sakafo harivan’ny Tompo” izy: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” Nanomboka tamin’izay, tamin’ny fitsingerenan’ny nahafatesan’i Jesosy, ny Kristiana dia tsy nitsahatra nankatò izany ka ‘nanambara ny nahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny’. — 1 Kor. 11:20, 23-26, NW.
2 Tsy ho ela izao, i Jesosy dia handray ireo farany amin’ny sisa amin’ny “ondry vitsy” izay mihamihena isa, ho any amin’ny fonenana any an-danitra. (Lioka 12:32; Jaona 14:2, 3). Amin’itỳ taona itỳ, ny sisa voahosotra miaraka amin’ny olona betsaka amin’ny “ondry hafa” izay mihamitombo isa hatrany, dia hanana indray ny tombontsoa hitandrina ny Sakafo Harivan’ny Tompo, amin’ny 11 Aprily. (Jaona 10:16; Apok. 7:9, 10). Hohatanjahina ny fankasitrahana ny fitiavan’i Jehovah lehibe tamin’ny nandefasana ny Zanany lahy tokana ho tombontsoan’ny olombelona. Hasongadina ny ohatr’i Jesosy, ny fitiavany, ny fahatokiany hatramin’ny fahafatesana mba hanomezana ny avotra, ary ny fanapahany ankehitriny amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra tafaorina azy, ary koa ireo fitahiana izay hoentin’ilay Fanjakana ho an’ny olombelona. Tena fisehoan-javatra mendrika ny hotsarovana tokoa izy io!
3 Miomàna dieny izao: Aoka isika rehetra hiezaka mba hanao izao fotoan’ny Fahatsiarovana izao ho fotoam-pifaliana lehibe sy fankasitrahana ho an’ny tenantsika ary ho an’izay rehetra hiaraka amintsika. Afaka manomana ny fontsika isika amin’ny famakiana indray ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ireo andro farany tamin’ny fanompoan’i Jesosy sy ireo fisehoan-javatra nitarika ho amin’ny fahafatesany. Ho azontsika atokana hanaovana famerenana ny toko 112-116 ao amin’ny boky Lehilahy Niavaka ny fianaram-pianakaviantsika, herinandro maromaro alohan’ny Fahatsiarovana.
4 Firy amin’ireo olona fantatrao no mety ho tonga amin’ny Fahatsiarovana, raha manao ny dingana voalohany ianao mba hampiorenana ny fankasitrahany an’io fisehoan-javatra io, sy hanasana azy ireo, ary hanaovana izay hahatsapan’izy ireo hoe raisina an-tanan-droa izy? Manaova lisitra dieny izao, ary ataovy izay azonao atao mba hanampiana azy ireo ho tonga. Aorian’izay, dia ampio izy ireo mba tsy hitsahatra hitombo ara-panahy, amin’ny fampirisihana azy hanatrika ireo fivoriana tsy tapaka.
5 Mandritra ny fotoan’ny Fahatsiarovana, dia misy fandaharana manokana atao mba hampitomboana ny fahafahan’ny rehetra hitory. Amin’ny fanaovana fandaharam-potoana tsara, moa ve ianao ho afaka ny ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily sy May? Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hampisehoana fa mahatsiaro amim-pankasitrahana ny hevitry ny soron’i Jesosy rehetra ho antsika isika, dia ny miresaka momba an’Andriamanitsika, dia i Jehovah, ary momba ireo fitahiana hoentin’ny fanapahan’ilay Fanjakan’ny Zanany. — Sal. 79:13; 147:1.