Tsy Maintsy ‘Mandray Tsara ny Teny’ ny Rehetra!
1 Olona an-tapitrisany maro no miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy ‘mandray tsara ny teny’ tahaka ny nataon’ireo olona 3 000 izay nibebaka sy natao batisa tamin’ny Andro Pentekosta 33 am.f.i., izy ireo, mba hahafenoana fepetra ho amin’ny fiainana mandrakizay. (Asa. 2:41). Mametraka andraikitra inona eo amintsika izany amin’izao andro izao?
2 Ilaintsika hampiana mba hamboly miandalana fifikirana amin’i Jehovah ireo olona ampianarintsika Baiboly. (1 Tim. 4:7-10, NW ). Mba hanaovana izany, dia manoro hevitra toy izao ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, fehintsoratra faha-20: “Mandritra ny fandehan’ny fianarana, dia mitadiava fahafahana hamboly fankasitrahana ireo toetran’i Jehovah. Lazao ny fihetseham-pon’ny tenanao lalina ho an’Andriamanitra. Ampio ilay olona ampianarina hieritreritra ny amin’ny fambolena fifandraisana mafana sy manokana amin’i Jehovah.”
3 Zava-tsarotra atrehintsika: Misy heriny eo amin’ny ankamaroan’ny olona ny fivavahan-diso, ka mahatonga azy ireo hianina fotsiny amin’ny endri-panompoam-pivavahana izay tsy andaniana afa-tsy fotoana sy ezaka faran’izay kely, ary tsy itakiana tena fiovana eo amin’ny fomba fiainan’izy ireo. (2 Tim. 3:5). Zava-tsarotra atrehintsika ny fomba hanampiana ny olona ampianarintsika Baiboly hahita fa tsy vitan’ny fihainoana fotsiny ny tenin’Andriamanitra akory ny fanompoam-pivavahana marina. Tsy maintsy mampihatra izay ianarany eo amin’ny fiainany izy ireo. (Jak. 1:22-25). Ilain’izy ireo ny manaiky ny adidiny ‘hiverina’ sy hanao izay marina mba hampifaly an’Andriamanitra, raha misy zavatra tsy azon’Andriamanitra ekena momba ny fitondran-tenany manokana. (Asa. 3:19). Tsy maintsy ‘mikely aina amin-kery’ sy miandany amin’ny fomba hentitra amin’ny fahamarinana izy ireo mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. — Lioka 13:24, 25, NW.
4 Rehefa miresaka ny amin’ny lafiny maro samihafa amin’ny fitsipi-pitondran-tena ianareo, dia anontanio ilay olona ampianarinao Baiboly raha ny amin’izay tena fomba fijeriny ny amin’ireo raharaha ireo sy ny amin’izay tokony hataony raha hitany fa mila manao fiovana eo amin’ny fiainany izy. Sariho ny sainy ho amin’ilay fandaminana izay nampita ilay fahamarinana ianarany, ary ampirisiho izy hanatrika tsy tapaka ny fivorian’ny kôngregasiôna. — Heb. 10:25.
5 Aoka àry hataontsika ho zava-kendrena ny hanohina ny fon’ilay olona ampianarintsika amin’ny fampianarantsika. Ho faly isika rehefa manosika ireo vaovao handray tsara ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy hatao batisa! — 1 Tes. 2:13.