Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Janoary: Rehefa mety ho boky 192 pejy navoaka talohan’ny 1985, ka mety hananan’ny kôngregasiôna ao amin’ny tahiry. Ny kôngregasiôna tsy manana an’izany boky tranainy izany, dia mahazo manolotra ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hisy ezaka manokana hatao mba hanombohana fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Aprily: Famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Omeo ny olona liana ny bokikely Takina, ary miezaha mafy mba hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
◼ Homena ilay karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy Karatra Famantarana ho an’ny zanany, ny mpitory vita batisa rehetra tonga ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandron’ny 4 Janoary.
◼ Manomboka amin’ny Febroary, ary fara fahelany ny 1 Martsa, ny lahateny ampahibemaso vaovao hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hoe: “Tena Misy ve Andriamanitra Aminao?”
◼ Tokony hanao fandaharana ireo kôngregasiôna mba hankalazana ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity, ny alakamisy 1 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia azo atomboka aloha kokoa aza ny lahateny, ny fampandalovana ireo marika amin’ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hanomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hamarino eo an-toerana hoe amin’ny firy ny filentehan’ny masoandro eo amin’ny misy anareo. Na dia irina aza ny hanaovan’ny kôngregasiôna tsirairay ny fankalazany manokana ny Fahatsiarovana, dia mety tsy hety foana izany. Any amin’izay ampiasan’ny kôngregasiôna maromaro Efitrano Fanjakana iray ihany, angamba ny kôngregasiôna iray na mihoatra dia afaka mampiasa toerana hafa amin’io takariva io. Manipy hevitra izahay fa raha azo atao, dia tokony hasiana 40 minitra, fara fahakeliny, manelanelana kôngregasiôna roa mifandimby mba hamelana fotoana hiarahabana ireo vahiny sy hampirisihana ireo liana vao haingana ary handraisan-tsoa feno avy amin’ilay fotoan-dehibe. Tokony hasiana fiheverana koa ireo olana amin’ny fifamoivoizana sy ny parking, voafaoka amin’izany ny fampidinana sy ny fandraisana mpandeha. Tokony hanapa-kevitra ny amin’izay fandaharana ho tsara indrindra eo an-toerana, ny fitambaran-doholona.
◼ Hatao ny alahady 18 Aprily, ny lahateny manokana amin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana 1999. Ny foto-kevitr’ilay lahateny dia hoe “Ny Tena Fisakaizana Amin’Andriamanitra sy Amin’ny Mpiara-belona”. Hisy planina homena. Hanao ilay lahateny manokana ny herinandro manaraka, ireo kôngregasiôna tsidihin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany na manana fivoriamben’ny fizaran-tany na fivoriambe manokana amin’io faran’ny herinandro io. Tsy tokony hisy kôngregasiôna hanao ilay lahateny manokana alohan’ny 18 Aprily 1999.