Mampiavaka Antsika ny Fitoriana
1 Olona maro no manontany hoe: “Inona no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hitovy amin’ny fivavahana hafa?” Ahoana no havalinao? Mety ho azonao atao ny manazava ny sasany amin’ireo zavatra inoantsika mifototra amin’ny Baiboly. Efa mba nieritreritra ny hampiseho ve anefa ianao fa tena mampiavaka antsika amin’ny fivavahana hafa, ny fanompoana ampahibemaso ataontsika? — Matio 24:14; 28:19, 20.
2 Ankehitriny, dia mpivavaka vitsy ihany no mahatsapa ho voatosika hizara ny finoany amin’ny hafa. Mety hihevitra izy ireo fa ampy ny mankato ny lalàn’i Kaisara, ny manana fiainana madio ara-pitondran-tena, na manao asa mampiseho hatsaram-panahy amin’ny hafa. Kanefa, tsy mahatsapa andraikitra hanampy ny hafa hianatra izay lazain’ny Baiboly momba ny fahazoana famonjena izy ireo. Inona no mahatonga antsika ho hafa noho izy ireo?
3 Ny fanompoana amin-jotom-po ataontsika, dia mifanohitra tanteraka amin’ny zavatra ataon’ny fivavahana hafa. Efa hatramin’ny 100 taona mahery, ny Vavolombelona amin’ny andro maoderina dia nitory tamim-pahazotoana ny vaovao tsara hatrany amin’ny faran’ny tany, ho fanahafana ireo Kristianina tany am-boalohany. Ny zava-kendrentsika amin’ny fanaovana izany, dia ny hanampy olona maro araka izay azo atao, mba hampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’Andriamanitra. — 1 Tim. 2:4; 2 Pet. 3:9.
4 Manao ahoana ny lazanao? Fantatra ho mpitory be zotom-po ny Tenin’Andriamanitra ve ianao? (Asa. 17:2, 3; 18:25). Noho ny asa fitoriana ataonao, moa ve mahita mora foana ny fahasamihafana eo amin’ny fivavahany sy ny anao, ny mpiara-monina aminao? Fantatra ho olona dodona hizara ny fanantenany amin’ny hafa ve ianao? Manana fahazarana tsy tapaka mandray anjara amin’ny fanompoana ve ianao? Tadidio fa mampiavaka ny tenantsika isika, tsy amin’ny anarana entintsika fotsiny, fa amin’ny fanaovantsika izay lazain’io anarana io koa — fanaovana fanambarana momba an’i Jehovah. — Isaia 43:10.
5 Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namantsika dia manosika antsika hanao ny asa fitoriana. (Matio 22:37-39). Izany no antony aniriantsika, tahaka an’i Jesosy sy ireo apostoliny, hanararaotra ny fahafahana rehetra, mba hizarana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny hafa. Enga anie isika hanohy hitory ny vaovao tsara amin-jotom-po amin’ireo izay vonona ny hihaino. Ny fanaovana izany dia hanampy ireo olona tso-po ‘hahita ny tsy fitovian’ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy’. — Mal. 3:18.