FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/02 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 1/02 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Janoary: Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra na Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika? Febroary: Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! na Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly. Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Azo atao ny manolotra famandrihana, rehefa liana ilay olona, amin’ny fiverenana mitsidika. Manolora bokikely Takina, ho fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly.

◼ Afaka mahazo ilay karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy Karatra Famantarana ho an’ny zanany, ny mpitory vita batisa rehetra tonga ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandron’ny 14 Janoary.

◼ Manomboka amin’ny Febroary, ary fara fahelany, ny 3 Martsa, ny lahateny ho an’ny besinimaro vaovao hataon’ny mpiandraikitra ny faritra dia hoe “Voaro eo Anivon’ny Tontolo Iray Mampidi-doza.”

◼ Tokony hanao fandaharana mety ny fiangonana mba hankalazana ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity, ny alakamisy 28 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia mety hanomboka aloha kokoa aza ny lahateny, dia tsy tokony hanomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro ny fampandalovana ireo marika. Hamarino eo an-toerana hoe amin’ny firy ny filentehan’ny masoandro eo amin’ny misy anareo. Na dia irina aza ny hanaovan’ny fiangonana tsirairay ny fankalazany manokana ny Fahatsiarovana, dia mety tsy hety foana izany. Raha miray Efitrano Fanjakana ny fiangonana maromaro dia afaka mampiasa toerana hafa angamba ny fiangonana iray na mihoatra amin’io takariva io. Tsara raha misy 40 minitra, fara fahakeliny, manelanelana ny fandaharana roa mifandimby, mba hahafahan’ny rehetra handray soa feno avy amin’ilay fotoan-dehibe, ary hamelana fotoana hihaonana amin’ireo vahiny sy hampaherezana ireo liana vao haingana. Tokony hasiana fiheverana ny fifamoivoizana sy ny parking, anisan’izany ny fivoahan’ny olona avy ao amin’ny fiara sy ny fidirany ao. Tokony hanapa-kevitra ny amin’izay fandaharana ho tsara indrindra eo an-toerana, ny anti-panahy.

◼ Hanjary hivoaka indray mandeha isam-bolana ny Mifohaza! amin’ny fiteny sinoa sy sinoa notsorina, izay nivoaka indroa isam-bolana teo aloha.

◼ Hivoaka isam-bolana amin’ny fiteny kreôla maorisianina Ny Tilikambo Fiambenana, manomboka amin’ny nomeraon’ny Janoary 2002.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara