Ny Olona Sambatra Indrindra eto An-tany
1 “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” (Sal. 144:15) Ny Vavolombelon’i Jehovah no lazain’ireo teny ireo ho ny olona sambatra indrindra eto an-tany. Tsy misy fifaliana lehibe kokoa noho izay azo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina sady velona. “Andriamanitra finaritra” izy, ary ahitana taratry ny fifaliany ireo mpivavaka aminy. (1 Tim. 1:11) Lafiny inona avy amin’ny fanompoantsika moa no mahatonga antsika ho sambatra?
2 Antony mahasambatra: Nanome toky i Jesosy fa ho sambatra isika raha mahatsapa hoe mila zavatra ara-panahy. (Matio 5:3) Manome izany zavatra ilaintsika izany ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly sy ny fanatrehana ny fivoriantsika rehetra. Manafaka antsika amin’ny lainga sy fahadisoana ara-pivavahana ny fianarantsika ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Jaona 8:32) Mampianatra antsika ny fomba fiaina tsara indrindra koa ny Soratra Masina. (Isaia 48:17) Vokatr’izany, dia faly isika manana namana tsara, eo anivon’ireo rahalahintsika falifaly.—1 Tes. 2:19, 20; 1 Pet. 2:17.
3 Tena afa-po isika rehefa mankatò ireo fitsipika ambonin’Andriamanitra, satria fantatsika fa miaro antsika izany, sady mahafaly an’i Jehovah. (Ohab. 27:11) Hoy ny mpanao gazety iray: “Na dia hentitra be aza ny fitsipiky ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy hita ho manjoretra izy ireo. Mifanohitra amin’izany kosa aza, fa olona falifaly sy tony tsara tsy tahaka ny olona rehetra izy ireo, na antitra na tanora.” Ahoana no hanampiantsika ny hafa ho sambatra toa antsika?
4 Ampio hahita fahasambarana ny hafa: Feno fijaliana eto an-tany, ary mazàna ny olona no tsy manana fanantenana. Isika anefa manana fanantenana mamirapiratra, satria fantatsika fa indray andro any dia efa ho navalon’ny lasa ny alahelo rehetra. (Apok. 21:3, 4) Mazoto mandray anjara amin’ny fanompoana àry isika, ka mitady ireo olona tso-po, mba hizarana aminy ny fanantenantsika sy ny finoantsika an’i Jehovah.—Ezek. 9:4.
5 Hoy ny anabavy mpisava lalana iray: “Tsy misy zavatra mahafa-po noho ny hoe manampy ny olona hahalala an’i Jehovah sy ny fahamarinany.” Aoka isika hanao izay farany mety ho vitantsika mba hampirisika olona maro kokoa hianatra ny Baiboly. Tena mahasambatra ny manompo an’i Jehovah sy ny mahafoy tena mba hanampiana ny olona hanompo azy koa.—Asa. 20:35.