FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/02 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 2/02 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Febroary: Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! na Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly. Aprily sy May: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manolora bokikely Takina, ho fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly, rehefa liana ilay olona, amin’ny fiverenana mitsidika.

◼ Azon’ny mpitory atao ny manolotra ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana, rehefa mitory any amin’ny faritany tsy misy tompony izy ireo. Azo atolotra izay boky hafa rehetra, raha toa ka efa manana ireo boky roa ireo ilay tompon-trano. Tokony hitondra taratasy mivalona maro karazana ny rehetra, ho an’ireo tsy tratra an-trano na ireo olona tsy nandray boky. Tokony hisy ezaka hatao mba hanolokoloana ny fahalianana, indrindra any amin’ny faritany tsy misy tompony izay tongan’ireo fiangonana eo akaiky.

◼ Amin’ny asabotsy 11 May 2002, dia hikatona ny Betela noho ny fanadiovana fanao isan-taona. Tsy hisy fitsidihana, na fakana boky amin’io andro io.

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Jona na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Rehefa vita ilay izy, dia anaovy fampandrenesana ho an’ny fiangonana, rehefa avy novakina ny tatitra momba ny kaonty manaraka.

◼ Tokony handinika ny asan’ny mpisava lalana maharitra rehetra ny mpitan-tsoratra sy ny mpiandraikitra ny fanompoana. Raha misy sahirana manatratra ny ora takina, dia tokony hanao fandaharana hanampiana azy, ireo anti-panahy. Raha mila fanoloran-kevitra, dia jereo indray ny taratasy S-201 alefan’ny Fikambanana isan-taona. Jereo koa Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1986, pejy 4 sy 5, fehintsoratra 12-20.

◼ Hatao ny alahady 14 Aprily ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana taona 2002. Ny foto-kevitr’ilay lahateny dia hoe “Tadidio Hatrany Ilay ‘Andro Mahatahotra’!” Hisy drafitra homena. Hanao ilay lahateny manokana ny herinandro manaraka an’io, ireo fiangonana tsidihin’ny mpiandraikitra ny faritra na hanatrika fivoriambe, amin’io faran’ny herinandro io. Tsy tokony hisy fiangonana hanao ilay lahateny manokana alohan’ny 14 Aprily 2002.

◼ Taratasy mivalona vaovao misy:

Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly? (Trakta No. 26) —frantsay, malagasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara