FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/07 p. 7
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 2/07 p. 7

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 26 Febroary 2007. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 1 Janoary ka hatramin’ny 26 Febroary 2007 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra eo aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]

ZAVATRA TANDREMANA

1. Rahoviana no mila hasongadina ny hevitra tokony hampiharina, mandritra ny lahateny? Ahoana no tokony hanaovana izany? [be p. 158, feh. 2-4]

2. Nahoana no tena ilaina ny manampy ny hafa hahita izay hevitra tokony hampihariny, ary ahoana no anaovantsika izany? [be p. 159, feh. 3-4]

3. Nahoana no tena ilaina ny mifidy tsara ny teny ampiasaina? [be p. 160]

4. Inona no hanampy antsika hampiasa teny isan-karazany sy marina? [be p. 161, feh. 5-6; p. 162, feh. 1, 4]

5. Inona no soa sasany raisintsika rehefa mampiasa drafitra an-kandrina na an-tsoratra isika? [be p. 166, feh. 1-3]

ANJARA No. 1

6. Inona no tokony hataon’​ny olona iray, rehefa manomana vakiteny? [be p. 43, feh. 2, 4]

7. Inona no tena ilaina mba hankahalana ny ratsy sy hitiavana ny tsara, toa an’​i Jehovah? (Heb. 5:14) [w 1/1/05 p. 9, feh. 11]

8. Inona no tokony hotadidintsika, raha misy zavatra voalazan’​ny Baiboly, mahatonga antsika hisalasala raha manao ny rariny Andriamanitra? [w 1/2/05 p. 24, feh. 7]

9. Inona no tokony hataontsika, rehefa misy olona mitaky zavatra mifanohitra amin’​ny lalàn’​Andriamanitra? [w 15/4/05 p. 12, feh. 9]

10. Inona no porofo fa sady mifantoka amin’​ny Fanjakana tarihin’​ny Mesia ny bokin’​i Isaia no mifantoka amin’​i Jaona Mpanao Batisa, ilay mpialoha lalana azy? [si p. 123, feh. 35]

FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO

11. Inona ilay “sarona” sy “rakotra” voalaza ao amin’​ny Isaia 25:7?

12. Ahoana no ahafahan’​ny olona ‘mahita’ sy ‘mandre’ an’​i Jehovah? (Isaia 30:​20, 21)

13. Marina sa Diso: Ny faniriana ho ela velona kokoa fotsiny no antony nanaovan’​i Hezekia ilay vavaka ao amin’​ny Isaia 38:⁠3.

14. Inona no azon’​ny Israelita natao mba hampisehoana fa vavolombelon’​i Jehovah izy ireo, ary ahoana no anahafantsika azy ireo? (Isaia 43:10)

15. Inona no takina mba hahafahana ‘hitondra ny fanak’​i Jehovah’, araka ilay faminaniana ao amin’​ny Isaia 52:​11, 12?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara