FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/10 p. 4
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 4/10 p. 4

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 26 Aprily 2010. Hanao famerenana maharitra 20 minitra ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 1 Martsa ka hatramin’ny 26 Aprily 2010 izy io.

1. Nahoana i Naomy no niteny hoe: “I Jehovah no efa nampietry ahy, ary ilay Mahery Indrindra no efa nahatonga loza tamiko”? (Rota 1:21) [w05 1/3 p. 27, feh. 2, 4]

2. Nahoana no lazaina hoe “tena vehivavy tsara” i Rota? (Rota 3:11) [w05 1/3 p. 28, feh. 7]

3. Nahoana no nampahery an’i Hana ny tenin’i Elkana vadiny hoe: “Tsy tsara kokoa aminao noho ny zanaka folo mirahalahy ve aho?” (1 Sam. 1:8) [w05 15/3 p. 22, feh. 3; w90 15/6 p. 28, feh. 4-5]

4. Nahoana no diso ny Israelita rehefa nangataka mpanjaka? (1 Sam. 8:5) [w05 15/9 p. 20, feh. 17]

5. Nivavaka ho an’ny hafa i Samoela, izay “efa antitra sy fotsy volo.” Nahoana izy no modely ho antsika, ary midika ho inona izany? (1 Sam. 12:2, 23) [w07 1/6 p. 29, feh. 14-15]

6. Nahoana i Saoly no tsara fanahy tamin’ny Kenita? (1 Sam. 15:6) [w05 15/3 p. 22, feh. 10]

7. Nahoana i Saoly no nanontany an’i Davida hoe: “Zanak’iza moa ianao, anaka?” (1 Sam. 17:58) [w07 1/8 p. 31, feh. 3, 5]

8. Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataon’i Davida rehefa tojo olana lehibe tany Gata izy? (1 Sam. 21:12, 13) [w05 15/3 p. 24, feh. 5]

9. Be fitiavana sy nanetry tena i Jonatana, ka nanampy sy nampahery an’i Davida tamin’ny fotoan-tsarotra. Inona no manaporofo izany? (1 Sam. 23:17) [lv p. 30, f.a.p.]

10. Mampitandrina antsika ny amin’ny inona ny nankanesan’i Saoly tany amin’ilay mpanao sikidy tany En-dora? (1 Sam. 28:8-19) [w05 15/3 p. 24, feh. 8]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara