Fampandrenesana
◼ Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana na Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana. Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa mitsidika olona liana. Anisan’izany ireo nanatrika Fahatsiarovana na fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana.
◼ Izao no foto-kevitry ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana: “Tena Manampy Antsika Hiatrika ny Fiainana ve ny Baiboly?”
◼ Ny fivoriana alohan’ny fanompoana ihany no fivoriana hafa azo atao amin’ny alahady 17 Aprily, ankoatra ny Fahatsiarovana. Tokony hanova ny andro ivoriany àry ireo fiangonana mivory amin’io andro io. Raha fiangonana maromaro anefa no mampiasa ny Efitrano Fanjakana ka tsy afaka ovana ny andro ivoriana, dia azo foanana ilay fivoriana. Raha izany no mitranga, dia ampirisihinay ny fianakaviana mba hianatra Ny Tilikambo Fiambenana mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.
◼ Boky vaovao misy:
Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2001-2005 (dx01-05) malagasy
‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’—Soratra Lehibe (btlp) malagasy