Fampandrenesana
◼ Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana. Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa mitsidika olona liana. Anisan’izany ireo nanatrika Fahatsiarovana na fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Jona: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Raha efa manana ilay olona, dia ny boky Apokalypsy no atolory. Ilay boky amin’ny soratra lehibe omena, raha tsy mahita tsara ilay olona.
◼ Hodinihina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny Aogositra ilay video hoe Vavolombelon’i Jehovah—Voalamina mba Hitory ny Vaovao Tsara. Tokony hanafatra haingana amin’ny alalan’ny fiangonana, izay mila azy io.
◼ Zavatra vaovao misy:
Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (rk) anglisy, malagasy
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?—MP3 (www.pr418.com) malagasy
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2011 (yb11) anglisy, frantsay, malagasy
Tonga dia handefasanay Diary amin’ny teny malagasy ny fiangonana rehetra. Tokony hanafatra ianareo, raha mila fanampiny.