Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 29 Aogositra 2011.
1. Nahoana no “tsara noho ny aina”, na ny fiainana, ny hatsaram-panahy feno fitiavana ananan’Andriamanitra? (Sal. 63:3) [w01 15/10 p. 15, feh. 17]
2. Inona no ianarantsika momba an’i Davida, rehefa jerena ny Salamo faha-70? [w08 15/9 p. 4, feh. 4]
3. Mampitandrina antsika ny amin’ny inona ny Salamo 75:5? [w06 15/7 p. 11, feh. 3]
4. Vavaka manao ahoana no tena azo inoana fa henoin’i Jehovah? (Sal. 79:9) [w06 15/7 p. 12, feh. 5]
5. Inona no ianarantsika momba ny ‘fahotana miafina’ rehefa jerena ny Salamo 90:7, 8? [w01 15/11 p. 12-13, feh. 14-16]
6. Inona no andraikitra lehibe ankinina amin’ny zokiolona eo anivon’ny fiangonana, rehefa jerena ny Salamo 92:12-15? [w04 15/5 p. 13-14, feh. 14-18]
7. Mifanohitra amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany ve ny tenin’ny mpanao salamo ao amin’ny Salamo 102:25-27? (Gen. 1:28) [w08 1/4 p. 12, feh. 2]
8. Tsy nahay nandinika ny Israelita, araka ny Salamo 106:7. Inona no ianarantsika avy amin’izany? [w95 1/9 p. 19, feh. 4–p. 20, feh. 2]
9. Inona no fianianana nataon’i Jehovah tamin’ilay Taranaka na Mesia nampanantenaina, araka ny Salamo 110:1, 4? Nahoana izany no hitondra soa ho an’ny olombelona rehetra? [cl p. 194, feh. 13]
10. Nandray soa ny mpanao salamo rehefa nanompo an’Andriamanitra. Inona no vokany rehefa nisaintsaina an’izany izy? (Sal. 116:12, 14) [w09 15/7 p. 29, feh. 4-5]