FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/12 p. 8
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 7/12 p. 8

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (natao ho an’ny Silamo), Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (natao ho an’ireo mino ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa miverina mitsidika. Na raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Septambra sy Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa mitsidika olona liana. Na raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao.

◼ Azo alaina ao amin’ny Internet ao amin’ny jw.org ny Mihirà ho An’i Jehovah—Raki-kira 5, manomboka ny 1 Aogositra. Amin’ny teny anglisy aloha izy io, fa aoriana kely vao hisy amin’ny fiteny hafa. Azo hafarana amin’ny alalan’ny fiangonana ny CD misy azy io. Ampirisihina anefa izay afaka maka ao amin’ny Internet mba hanao izany, satria mandany vola kokoa ny famokarana sy fanafarana CD. Efa misy koa ny raki-kira 1-4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara