Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Septambra sy Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa mitsidika olona liana. Na raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Novambra sy Desambra: Afaka manolotra iray amin’ireto taratasy mivalona ireto ny mpitory: Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana, Fiainam-piadanana ao Amin’ny Tontolo Vaovao, Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!, Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?, Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity?, Iza moa i Jehovah?, Jesosy Kristy—Iza moa Izy?, Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?, Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?, na Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Raha liana ilay olona, dia miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina, na amin’ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao.
◼ Hatao ny herinandron’ny 1 Aprily ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana 2013. Holazaina any aoriana ny lohateniny. Hanao an’ilay lahateny manokana ny herinandro manaraka an’io, ireo fiangonana hotsidihin’ny mpiandraikitra ny faritra na hanatrika fivoriambe amin’ny faran’io herinandro io. Tsy tokony hatao alohan’ny 1 Aprily io lahateny io.
◼ Boky vaovao misy:
Mihirà ho An’i Jehovah—Soratra Lehibe (solfa) malagasy