Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Janoary sy Febroary: Bokikely 32 pejy: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (natao ho an’ny Silamo), Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (natao ho an’izay te hanaporofo fa tsy marina ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa miverina mitsidika. Na raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Martsa sy Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa miverina mitsidika. Na raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao.
◼ Izao no lohatenin’ny lahateny ho an’ny besinimaro hataon’ny mpiandraikitra ny faritra, mandritra ny fitsidihana faharoa hataony, amin’ny taom-panompoana 2013: ‘Vaovao Tsara ho An’ny Firenena sy Foko ary Olona Samy Hafa Fiteny.’