Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Tamin’ny volana Mey, dia nisy anti-panahy 222 nanatrika ny Sekolin’ny Anti-panahy naharitra dimy andro. Natao teto Antananarivo ny dimy ary tany Toamasina ny iray. Azo antoka fa handray soa betsaka ny fiangonana misy azy ireo. Ankasitrahana koa ireo nanao mpisava lalana mpanampy tamin’ny Martsa sy Aprily ary Mey. Tena fiderana lehibe ho an’i Jehovah tokoa izany!