Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Vita soa aman-tsara ny fitokanana ny trano vaovaon’ny sampana. Nisy 584 ny mpanatrika an’ilay fandaharana tao amin’ny Betela, ny asabotsy 24 Janoary 2015. Ny alahady kosa, dia 4 700 teo ho eo no nanatrika an’ilay fivoriana manokana teny amin’ny Efitrano Fivoriambe Gileada, ary 23 983 no nanaraka izany tamin’ny alalan’ny Internet. Nisy solontena avy amin’ny tany 15 koa tonga nanatrika an’ilay fitokanana.