5-11 Septambra
SALAMO 119
Hira 48 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Mandehana Amin’ny Lalàn’i Jehovah”: (10 min.)
Sl 119:1-8: Tsy maintsy mandeha amin’ny lalàn’Andriamanitra isika raha te ho sambatra (w05 15/4 10 § 3-4)
Sl 119:33-40: Manampy antsika hanana herim-po hiatrehana fitsapana ny Tenin’Andriamanitra (w05 15/4 12 § 12)
Sl 119:41-48: Tsy matahotra mitory isika rehefa mahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra (w05 15/4 13 § 13-14)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Sl 119:71: Nahoana no mahasoa ny miaritra fahoriana? (w06 1/9 14 § 4)
Sl 119:96: Inona no dikan’ny hoe “Hitako fa manam-petra ihany izay rehetra tonga lafatra”? (w06 1/9 14 § 5)
Inona no ianarako momba an’i Jehovah, amin’ny famakiana Baiboly amin’ity herinandro ity?
Ary inona ny hevitra azoko ampiasaina amin’ny fanompoana?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Sl 119:73-93
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso tsirairay ireo video misy fomba fitory modely, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Ampirisiho ny mpitory hamorona fomba fitory mety aminy.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Raha Ankizy no Mamoha Trano”: (5 min.) Lahateny.
Zavatra ilain’ny fiangonana: (10 min.) Raha tsy misy zavatra mila resahina amin’ny fiangonana, dia azo ampiasaina ny Diary (yb16 59-62). Asao ny mpanatrika hilaza ny lesona noraisiny.
Fianarana Baiboly: (30 min.) ia toko 23 § 15-29, famerenana
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 13 sy Vavaka