FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb19 Aogositra p. 8
  • Tsy Hadinon’i Jehovah ny Asa Tsara Ataontsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Hadinon’i Jehovah ny Asa Tsara Ataontsika
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Fandinihana Amim-pankasitrahana ny “Tranon’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Faly Manasa Anao Izahay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
mwb19 Aogositra p. 8
Anabavy iray miasa ao amin’ny lakozian’ny Betela

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Tsy Hadinon’i Jehovah ny Asa Tsara Ataontsika

Afaka manao asa tsara ho an’i Jehovah ny mpanompony tsirairay. Tsy hadinony mihitsy ny fitiavana sy ny asa ataontsika ho an’ny anarany. Hoatran’ny ray aman-dreny tsy manadino ny zava-bitan’ny zanany mantsy izy. (Mt 6:20; He 6:10) Marina aloha hoe tsy mitovy ny zavatra hain’ny Kristianina tsirairay sy ny zavatra iainany. Ho faly anefa isika raha manao izay fara herintsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Ga 6:4; Kl 3:23) An’arivony ny rahalahy sy anabavy efa nanompo tany amin’ny Betela, na mbola manompo any. Afaka manompo any koa ve ianao? Raha tsy afaka ianao dia ampirisiho ny hafa mba hanompo any, ary ampaherezo ny Betelita mba tsy hiala amin’ny fanompoany.

ALEFASO ILAY VIDEO HOE INONA NO TOKONY HATAONAO RAHA TE HIASA ANY AMIN’NY BETELA IANAO?, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no tokony ho antony anompoantsika any amin’ny Betela?

  • Inona no fitahiana azon’ny rahalahy sy anabavy sasany, noho izy ireo manompo ao amin’ny Betela?

  • Inona no fepetra takina amin’izay te hanompo any amin’ny Betela?

  • Inona avy ny taratasy fangatahana azonao fenoina, raha te hanompo any amin’ny Betela ianao?

Betelita telo miara-miasa amin’ny ordinatera; rahalahy iray mampiditra boky sy gazety ao anaty baoritra; rahalahy iray mandrafitra ao amin’ny Betela

Fepetra Takina

  • Tena tia an’i Jehovah sy ny fandaminany

  • Tsara fitondran-tena sady manana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’i Jehovah

  • Manao fitafiana sy taovolo mety amin’ny Kristianina

  • Manao fialam-boly mety amin’ny Kristianina

  • Eo anelanelan’ny 19 sy 35 taona, amin’ny ankapobeny

  • Salama tsara ara-tsaina sy ara-batana ary ara-pihetseham-po

  • Afaka mamaky sy manoratra ary miteny an’ilay fiteny ampiasaina any amin’ny sampana

  • Vonona hijanona ao amin’ny Betela mandritra ny herintaona, fara fahakeliny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara