FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Janoary p. 32
  • Alao Sary An-tsaina Ilay Tantara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Alao Sary An-tsaina Ilay Tantara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Mitovitovy Aminy
  • Milofosa Amin’ny Famakian-teny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ahoana no Anombohako Azy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 3: Ataovy Izay Handraisana Soa Faran’izay Betsaka Rehefa Mamaky Baiboly
    Manontany ny Tanora
  • Manaova Sary mba Hitadidiana Hevitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Janoary p. 32

MBA ANDRAMO IZAO

Alao Sary An-tsaina Ilay Tantara

Be dia be ny tantara ao amin’ny Baiboly ary mampianatra antsika lesona lehibe izy ireny. Raha maka sary an-tsaina an’izay vakintsika isika, dia ho azontsika tsara ilay izy ary handray soa kokoa isika. Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy hanampy anao hanao an’izany.

  • Vakio mafy ilay izy. Ho azonao sary an-tsaina kokoa ny tantara ao amin’ny Baiboly raha vakinao mafy. Ahoana raha mamaky Baiboly miaraka amin’ny fianakavianao ianao? Ho velombelona kokoa ilay tantara raha asaina manao anjaran’olona samy hafa ny tsirairay.

  • Alao sary an-tsaina izay mitranga. Ezaho takarina hoe inona no tao an-tsain’ilay olona resahina ao, ary inona no tsapany. Eritrereto, ohatra, hoe: ‘Fa maninona izy no niteny an’iny na nanao an’iny? Inona no mety ho noeritreretiko na tsapako raha izaho no teo amin’ny toerany?’

  • Ataovy sary ilay izy. Ho tadidinao sy ho azonao sary an-tsaina kokoa ilay tantara raha ataonao sary, na dia tsy tena tsara be aza ilay sary vitanao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara