FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwex lahatsoratra 4
  • Nampian’ny Polisy i Joseph

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nampian’ny Polisy i Joseph
  • Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Nikarakara ny Fianakaviany Foana Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Josefa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nikarakara ny Fianakaviany Foana i Josefa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • “Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwex lahatsoratra 4
Fiaran’ny polisy

Nampian’ny Polisy i Joseph

Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, ahoana raha misy polisy miaraka aminao rehefa mitory isan-trano ianao? Izany no nitranga tamin’i Joseph any Mikronezia, tamin’ny 2017. Nanao ezaka manokana izy sy ny mpitory telo mba hitoriana amin’ny olona any amin’ny nosy lavitra be.

Tonga tao amin’ny nosy kely iray misy mponina 600 eo ho eo izy efatra, tokotokony ho tamin’ny mitataovovonana. Teny amin’ny tora-pasika ny ben’ny tanàna no niarahaba azy ireo tonga soa. Notantarain’i Joseph izay nitranga taorian’izay. Hoy izy: “Nilaza ilay ben’ny tanàna hoe afaka mitondra anay hitety trano ny fiaran’ny polisy. Gaga be izahay nefa naleonay nanda moramora. Tianay raha hoatran’ny mahazatra ihany no atao rehefa mitory isan-trano.”

Nandeha an-tongotra ireo mpitory avy eo ary tapa-kevitra ny hiresaka amin’ny olona faran’izay betsaka. Hoy izy ireo: “Nandray tsara anay ny olona sady tiany ny zavatra noresahinay taminy. Lasa elaela kokoa tsy araka ny noeritreretinay ny fotoana niresahanay tao amin’ny trano tsirairay.”

Nandalo indroa teo amin’i Joseph ilay fiaran’ny polisy ary nijanona teo aminy rehefa nandalo fanintelony. Nasain’izy ireo handeha fiara miaraka aminy i Joseph mba hateriny any amin’ny trano mbola mila tsidihiny. Mbola nanda ihany i Joseph. Hoy izy: “Nisisika ihany izy ireo sady niteny hoe: ‘Aleo hoentinay ianao hamita an’ireo trano sisa tavela satria efa kely sisa ny fotoananareo.’ Tsy afaka nanda intsony aho satria mbola betsaka no tsy vita. Isaky ny nanakaiky trano iray izahay dia nolazain’izy ireo tamiko ny anaran’ny fianakaviana tao. Nilaza koa ry zareo hoe hampaneno klakisaonina raha vao tsy misy mamaly.

“Afaka nitsidika ny trano rehetra izahay tamin’iny andro iny noho ny fanampian-dry zareo. Be dia be ny boky sy gazety napetrakay sady afaka nandamina izahay hoe ahoana no ahafahana miverina mitsidika ny olona liana.”

Nilaza tamin’i Joseph ireo polisy hoe tena faly izy ireo nizara vaovao tsara. Nody izy efatra rehefa hariva ny andro. Faly erỳ ireo polisy nanao veloma azy ireo sady nitazona boky sy gazety no nanofahofa tanana azy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara