FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/1 p. 25-27
  • Ny trosa! Fidirana sy fialana aminy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny trosa! Fidirana sy fialana aminy
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fidirana amin’ny trosa
  • Fitantanana ny trosa
  • Fialana amin’ny trosa
  • Mifampiresaha amin’ny hafa!
  • Tsy Mety Afa-trosa ve Ianareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mendrika ny Hatao ve ny Fidirana Amin’ny Trosa?
    Mifohaza!—1995
  • Afaka Manampy Anao ve ny Baiboly Raha Manana Olana Ara-bola Ianao na Be Trosa?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ananan’ny Olona Trosa Isika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/1 p. 25-27

Ny trosa! Fidirana sy fialana aminy

NIVADY efa ho herintaona i Lois sy Rick. Sahala amin’ny ankamaroan’ny mpivady tanora, dia naniry hahazo izao zavatra rehetra izao indray mandeha izy ireo — ary mora ery izany! Ny vola naloa tamin’ny fahitalavitra dia 52 dôlara (15 600 ariary) isam-bolana monja, ary ny fividianana man̈etôskôpy iray ho fanampin’izany dia nampitombo ny vola naloa ho 78 dôlara (23 400 ariary) monja. Somary sarotra kokoa ny amin’ireo fanaka vaovao — 287 dôlara (86 100 ariary) isam-bolana ny vola naloa. Mazava ho azy fa tsy tao anatin’izany ny lambam-baravarana sy ny karipetra, izay nanampy 46,50 dôlara (13 950 ariary) ny vola naloa. Nefa mora niaraha-niasa ilay fikambanan’ny sampan-draharaha momba ny vola.

Mora kokoa ny amin’ireo fitaovana ao an-trano mandeha amin’ny aratra satria nanaiky ny karatra fanaovan-trosany ilay tranombarotra. Tamin’izany fomba izany, dia nandeha ho azy ny fandoavam-bola isam-bolana, ary tsy voatery nisambo-bola izy ireo. Ho mora kokoa izany raha voaloan’i Rick talohan’ny fampakaram-badiny araka ny nikasany azy ny fiarany haingam-pandeha, saingy nisy tsy nahavitany izany.

Toy izao no filazan’i Rick izany: “Nihevitra aho fa hahafinaritra be ery izany hoe manambady, nefa manahy aoka izany aho ny amin’ny trosanay izay tsy misy maha-mahafinaritra azy mihitsy.” Nanaiky i Lois ary nanampy hoe: “Mora aoka izany ny midi-trosa. Mba ho afa-trosa ve izahay indray andro any?”

Ny fanontaniana fitarainana toy izany dia mamerina ny tarehin-javatra toa sarotra ialana atrehin’ny fianakaviana an-tapitrisany maro any amin’ny ankamaroan’ny tany eo amin’izao tontolo izao. Mahalam-piseho tokoa ny olona mahavita mitondra ny fiainany tsy misy fivesarana trosa be, indraindray tsy azo efaina akory.

Fidirana amin’ny trosa

Ahoana no idiran’ny olona iray amin’ny trosa? Tsotra fotsiny! Fomba fiaina izy io. Ireo fitondram-panjakana, fikambanana marorantsana, fanjarianasa madinika, fianakaviana, ary olon-tokana, dia samy manaiky ny trosa ho ara-dalàna avokoa.

Miteraka trosa matetika ny fieboeboana. Miteraka fihenjanana ny trosa. Mitarika ho amin’ny fahasahiranana maro hafa ny fihenjanana. Ahoana àry no hahafahanao ho velona sady tsy hidi-trosa eo amin’izao tontolo izao anjakan’ny trosa?

Angamba ny lesona voalohany tokony hianarana dia ny fahaizana miaritra tsy hividy fotsiny. Tsy afaka hiditra any amin’ny ankamaroan’ireo fikambanana ara-bola ianao raha tsy voatosik’ireo petadrindrina manolotra fampisamboram-bola. Mora azo ny karatra fanaovan-trosa. Manomboka eo amin’ireo mpampanjana-bola ka hatrany amin’ireo fikambanana ara-bola lehibe, dia misy olona vonon-kandresy, mpampiasa fanerena an-tapitrisany maro manao asa fivarotam-bola. Amin’izy ireny, dia entambarotra ny vola — toy ny sakafo — ary mivarotra izany aminao no asany. Mianara miteny hoe: “TSIA”.

Fitantanana ny trosa

Misy fomba maro be amaritana ny ara-kevin’ny trosa azo atao arakaraka ny vola miditra. Nefa samy hafa aoka izany izy ireo, hany ka maro aminy no tsy dia misy heviny firy. Ohatra, mahatsapa ny manam-pahaizana momba ny toekarena sasany fa ny fianakaviana iray dia afaka hanokana mora foana 30 isan-jato amin’ny vola rehetra miditra aminy ho an’ny trano ipetrahana. Aloa toy ny “emprunt-logement” na hofantrano izany. Kanefa, mety tsy ho azo atao izany ho an’ny tena mahantra. Noho izany, ny fomba amaritana ny fahafahana mitrosa amin’ny ankapobeny dia tsy voafetra loatra. Tsara kokoa ny hiheverana ny zava-manahirana rehetra momba ny famerana ny trosa eo amin’ny lafiny isam-batan’olona.

Misy trosa sasany mety ho azo ekena, nefa izany dia mitaky fahaiza-manavaka sy fitantanana amim-pitandremana. Ohatra, ny ankamaroan’ny olona dia tsy afaka mividy trano raha tsy midi-trosa. Tsy araka ny zava-misy ny hiheverana fa ny fianakaviana iray dia tsy maintsy hipetraka amin’ny trano hofana mandra-pahangony vola ampy hialana ao ka hividy trano tolo-botsotra. Tsy hitranga mihitsy angamba izany. Mety hahatsapa kosa ilay fianakaviana fa ny vola aloany amin’ny hofantrano dia azo alefa handoavana trano iray. Na dia hitaky taona maro aza izany tetikasa izany dia manatsoaka hevitra izy ireo fa mora atao kokoa izany.

Na dia fantatsika aza fa toa hitombo arakaraka ny fotoana ny vidin’ilay trano, dia takatra avy amin’izany fa raha mety ho lafo kokoa noho ny hofantrano isam-bolana ny fandoavana “emprunt-logement”, dia mety hahavoa kokoa ilay fianakaviana satria amin’ny fanaovana izany izy dia mamorona vola amboniny ho an’ny tenany, dia ny tena vidiny sahaza ilay trano analana ilay vola vidiny nasaina naloa taminy. Mety ho trosa azo ekena ny “emprunt-logement” tsy mitaky zanabola tafahoatra, ka mety ho azo tanterahina tsara ny fandoavana azy. Mitovy amin’izany ihany koa no azo lazaina momba ireo zavatra lehibe sy ilaina hafa tokony hovidin’ny fianakaviana.

Mety tsy ho azo ekena velively ireo trosa hafa. Anisan’ny fahaizana mampiasa ny fahafahana mitrosa ny fahaizana mandà azy. Toy izao angamba ny fitsipika tsara indrindra: Aza mividy izay tsy ilainao sady tsy azonao vidina izao. Fadio ny fividianan-javatra atosiky ny faniriana tampoka. Na dia ny antsasa-bidin’ny zavatra iray aza no hahazoana azy, dia tsy mora akory izany raha tsy manana hividianana azy ianao. Aza mitrosa zavatra aingitraingitra. Aza mandeha maka rivotra lavitra raha tsy ho afaka handoa ny ho lany alohan’ny hiainganao ianao. Na inona na inona vidinao dia tsy maintsy haloanao izany na ho ela na ho haingana. Mahasoa ny karatra fanaovan-trosa mba hialana amin’ny fitondrana lelavola, nefa mampandany vola be izany rehefa ampiasaina ho toy ny fisamboram-bola.

Fialana amin’ny trosa

Mety hahatsapa ny olona sasany fa diso aoriana loatra ho azy ny torohevitra momba ny fahaizana mampiasa ny fahafahana mitrosa. ‘Efa tototry ny lazam-bidy (factures) sy ny fifaneken-trosa aho. Ahoana no hahafahako hiala amin’izany?’ Ny marina dia hoe tsy diso aoriana mihitsy izao mba hanombohana.

Ny dingana voalohany dia tokony ho ny fanorenana fiaraha-miasa amina banky mendrika iray. Raha tsy maintsy misambotra ianao, dia azo inoana fa any no hahazoanao amin’ny zanabola isan-jato tsara indrindra. Raha tsy mety mampisambo-bola anao ny bankinao, dia angamba hahasoa anao izany. Tadidio fa asany ny mampindram-bola ka hampindrana izany anao izy raha hita fa mety aminy izany.

Faharoa manaraka izany, dia tsy maintsy atombokao aloa amin’ny fomba voalamina tsara ireo trosanao. Ataovy an-taratasy ny volanao manokana antenainao hiditra aminao tsy tapaka mandritra ny 24 volana manaraka. Jereo araka ny tena izy ny zava-drehetra. Ampidiro ao hatramin’ny vola miditra faran’izay kely indrindra antenainao ho azo. Hevero koa izay zavatra mety hitranga nefa tsy ao an-tsainao akory amin’izao fotoana izao. Ataovy lisitra araka ny laharam-pahamehany ireo trosanao. Avy eo dia zarao araka ny rariny ny volanao mba hisy ho voaloa fara faharatsiny ny trosa tsirairay. Mamera daty hanaperana ny fandoavana ny trosa tsirairay.

Mifandray amin’izay drafitra izay, dia diniho ny lafiny azonao ampihenana fandaniana. Mitaky fanaovana sorona foana ny fampihenana trosa. Azo ahena ve ny vola lany amin’ny sakafo amin’ny fividianana zavatra nihem-bidy? Inona no zavatra mora kokoa rehefa mieritreritra ny karazan-tsakafo haroso? Azo ajanona ve ny fakan-drivotra? Azo ampidinina ve ny fari-piainanao? Azo ahena ve ny fividianana aingitraingitra sasany? Indraindray isika dia voatery tsotra izao ny tsy hampiseho fiantrana amin’ny tenantsika. Azo afindra avy eo amin’ny lisitry ny “tena ilaina” mankeo amin’ny “aingitraingitra” ny fandaniana sasany.

Raha vao manana drafitra iray vita an-taratasy ianao, dia resaho amin’ny mpiasan’ny banky miandraikitra ny fampisamboram-bola anao izany. Ho tohina ny fony rehefa hitany fa tsy mivazivazy ianao. Mety ho afaka hampiseho anao ny fomba hanatsarana ilay drafitra izy. Mety hanoro hevitra anao hisambo-bola fanampiny mba hanampiana anao handoa ny trosanao izy. Raha izany no izy, dia fantaro tsara ny zanabola isan-jato sy ny faharetan’ny fotoana tsy maintsy hamerenana io vola nosamborina fanampiny io. Fandoavam-bola kely kokoa mandritra ny fe-potoana lava kokoa no dikan’izany matetika. Nefa aoka ianao tsy halaim-panahy hampiasa ny fisamboram-bola fanampiny hisamborana vola misimisy kokoa.

Mifampiresaha amin’ny hafa!

Mitaky fifampiresahana izay mety ho fandaharam-pampihenana trosa rehetra raha tiana hahomby. Tsidiho na antsoy an-telefaonina ny olona tsirairay nisamboranao vola. Raha heverinao fa hanampy izany, dia asehoy azy ireo ny drafitra nataonao. Miresaha amin’izy ireo fara faharatsiny. Tadidio fa tiany ny hahalala izay ataonao. Ataovy izay hahafantarany hatrany ny zava-misy. Ny zavatra iray tsy azon’ny mpampisambotra leferina dia ny fanginana. Ny fanginana dia heverina haingana ho toy ny tsy firaharahana na fandavana tsy handoa mihitsy aza. Maro ny mpampisambotra nanomboka nitory tamin’ny fitsarana mba hanonerana ny volany satria fotsiny tsy nisy nisahirana nanazava taminy izay nitranga.

Tokony hanambara fa tsy hahaloa trosa ve ianao? Any amin’ny tany sasany, ny olona rehetra dia omen-dalana hampiasa izany fandaharana nomen’ny lalàna izany, nefa tsy tokony hohamaivanina izany. Toy ny voady ny fanaovana trosa. Tafiditra amin’izany ny adidy hanavaka ny mety sy ny tsy mety. Ny fanambarana fa tsy hahaloa trosa dia misy akony miteraka zava-manahirana ho an’ny hafa. Handoto ny lazanao izany.

Tsy misy maha-ratsy an’ilay fomba fiheveran’ny ntaolo hoe: “Inty sy inday” (mandoa tolo-botsotra). Eny tokoa, raha mbola azo atao ihany, ny fihetsika mampiseho fahendrena indrindra dia ny tsy fidirana trosa eo am-boalohany. Mety ho tonga fasipolaka mahafaty hitelina anao ny trosa. Namela ny tenany ho voatelina i Rick sy i Lois. Misy fiovana tsy maintsy ataony, nefa tsikelikely dia afaka miala amin’ny trosany izy.

Raha toa ianao ka tototry ny tany ara-bakiteny, dia hampiasa izay mety ho fahafahana mihetsika anananao mba hivoahanao avy ao. Angamba hiadana izany, nefa mety! Tadidio fa na manao ahoana na manao ahoana fotoana mety hotakin’izany, na toy inona na toy inona ny mety ho hasarotry ny fanaovana izany, dia mendrika ny hatao ny fialana amin’ny trosa.

[Sary, pejy 27]

Mitovy amin’ny atelin’ny fasipolaka ny difotra ao anaty trosa tafahoatra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara