“Anio hariva ianao dia ho faty”
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! atsy Afrika atsimo
“TAKATRAO ve fa eo am-bavahoanan’ny fahafatesana ianao ary androany hariva ihany ianao dia ho faty?”, hoy ny fanontanian’ilay dokotera.
Namaly i Wyndham Cook, 15 taona, reraka noho ny fahaverezan-dra, fa na dia midika ho famoizany ny ainy aza izany, dia tapa-kevitra ny hankatò ny didy ao amin’ny Baiboly mba ‘hifady ny ra’ izy. — Asa. 15:20.
“Ho nitifi-tena mba ho faty ve ianao?”, hoy ny fanoheran’ilay dokotera.
“Tsy ho nanao izany aho”, hoy ny nohazavain’i Wyndham. “Kanefa ny fandavana ny fampidiran-dra dia tsy famonoan-tena. Fankatoavana fotsiny ny didin’Andriamanitra izany.” Voan’ny fivanditry ny mpamerindra (veine) ao amin’ny lalan-kanina, izay indraindray dia mitarika ho amin’ny lotsidra (hémorragie) anaty, i Wyndham. Vao mainka manaratsy ny toe-javatra fa hemôfila (mora voan’ny lotsidra) sasaka izy.
Miseho ny krizy
Takatry ny saina fa velom-panahiana ireo ray aman-drenin’i Wyndham rehefa nanomboka nandeha ra indray izy, ny talata 28 Novambra 1989, taorian’ny fito taona tsy nitrangana na inona na inona. Nentina avy hatrany teny amin’ny hôpitaly i Wyndham. Taorian’ny fanaovana “endoscopie” (fitarafana ny lalan-kanina amin’ny fampiasana fitaovana manokana), dia nidina ho 6, 6 grama isaky ny desilitatra ny fatrana hemôglôbinany. (Eo amin’ny 14 ka hatramin’ny 15 grama isaky ny desilitatra ny fatrana hemôglôbinina ara-dalàna.) Tamin’io alina io dia nitaintaina ny rehetra noho i Wyndham nanao torimason’akoho.
Teo amin’ny mitataovovonan’ny alarobia teo ho eo, dia nidina ho 4,3 grama ny fatrana hemôglobinina tao amin’ny rany, ary mbola nandeha ra foana izy. Niandoha teo ny voalohany tamin’ireo ady hevitra maromaro niarahana tamin’ny mpiasan’ny hôpitaly ny amin’ny antony tsy nahafahan’i Wyndham nandray ra. Manazava i Chris, rain’i Wyndahm: “Nanjohy hevitra naharitra nifototra tamin’ny Soratra masina izahay. Nohazavainay koa fa tsy nanda ny fanampiana ara-pitsaboana omen’izy ireo izahay, na ny fiainana mihitsy. Amin’ny krizy toy itony, dia nilainay aoka izany ny fahaiza-mitsabo ananan’izy ireo. Lavinay fotsiny ny fampiasana ny ra ho toy ny fitsaboana.”
Tamin’ny roa ora tolakandro dia tsy maintsy nampidirana tioba fanitarana, izay azo nabontsina niakatra mba hanindry ilay mpamerindra nivonto, ka amin’izay dia hampihena ny lotsidra, tao amin’ny tendan’i Wyndham. Miitatra hatrany amin’ny vavony koa ilay tioba mba hisintona miakatra ny ra rehetra avy tamin’ny lotsidra anaty nihandrona tao. Tamin’io fotoana io, rehefa tsy teo ireo ray aman-drenin’i Wyndham, dia niteny taminy toy izao ny mpanampy ny mpitsabo iray: “Ra kely monja dia mety hahavonjy ny ainao. Tsy mila ny mahafantatra izany mihitsy ireo ray aman-dreninao sy ny mpitondra fivavahanareo.”
“Nihinana ra niaraka tamin’ny apostoliny 12 i Jesosy”, hoy ny fanoheran’ilay dokotera. “Hoy i Jesosy hoe: ‘ity ny rako (...) sotroinareo ity.’ Milaza ny tenanao ho kristiana ianao ary maniry ny hanaraka ny ohatr’i Kristy, koa nahoana no tsy mandray ra?”
Nanazava i Wyndham fa rehefa nisotro tamin’ilay kapoaka nomen’i Jesosy ireo apostoly, dia divay izay marika fotsiny izy io fa tsy ny ran’i Jesosy tokoa. Ny fijoroan’i Wyndham tsy nisy fanekena lembenana dia nanaitra aoka izany hany ka natao tao amin’ny fitahirizan-taratasim-pitsaboana azy ny filazana fanamarihana iray hoe tamin’ny faha-15 taonany, vory saina tsara sy salama saina, dia nanda tamin’ny fomba hentitra ny fampidiran-dra izy. Nisy tombony lehibe io fijoroana mafy io ny andro nanaraka.
Rehefa niposaka ny masoandro ny alakamisy, dia toa nitonitony kely i Wyndham. Tsy naharitra anefa io fahamaivamaivanana io. Nanomboka nandeha ra indray izy. Tokony ho tamin’ny 9 ora dia nidina ho 3,0 ny fatrana hemôglôbinina tao amin’ny rany. Nampanahy ny toe-javatra nisy azy. Nangataka ilay lehiben’ny mpitsabo, mpiandraikitra ny sampana fandidiana, raha afaka hivoaka ilay efitrano ny fianakavian’i Wyndham satria niriny ny hiresaka tamin’i Wyndham irery.
“Tsy mora ny namela azy samy irery”, hoy ny reniny, i Judy. “Natahotra izahay sao amin’izao izy reraka izao dia ho nihena ny fijoroany. Kanefa efa vita batisa enim-bolana talohan’izay izy, noho izany dia nanana zo hiaro samy irery ny tenany.”
Nahatsiaro ny rainy hoe: “Ny hany azonay natao izao dia ny nitalaho tamin’i Jehovah mba hanampy an’i Wyndham hihazona ny tsy fivadihany. Nianaranay ny tena dikan’ny teny hoe ‘miangavy.’ ” Milaza i Wyndham tanora fa izay nanampy azy dia ny fitadidiana ny Apokalypsy 2:10. “Ireo teny hoe: ‘Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana’, dia nihodinkodina hatrany tao an-tsaiko”, hoy izy.
Didim-pitsarana iray?
Nilaza ilay dokotera tamin’ny farany fa hangataka didim-pitsarana iray izy hahazoan-dalana hanao ny fampidiran-dra. Koa satria tsy ampy taona i Wyndham, dia nanampo ny rehetra fa azo antoka ny hanekena io fangatahana io. Nahery tokoa ny vavaka ho fanohanana an’i Wyndham. Nanazava i Neville, mpiandraikitra prezidàn’ny kongregasiona hoe: “Toy ny hoe niara-niaina io fisedrana io tamin’ny fianakaviana Cook ny kongregasiona manontolo. Nisentom-pahamaivamaivanana ny kongregasiona manontolo rehefa nihatsara i Wyndham. Rehefa niharatsy kosa ny toe-pahasalamany, dia ny rehetra tao amin’ny kongregasiona no indray nitaintaina ary nivavaka mba hisian’ny fiafarana tsara.”
Nahatsiaro i Judy hoe: “Nandritra io fotoana niandrasanay ny valiny avy tany amin’ny fitsarana io dia tonga ary niandry tao amin’ny efitrano fiandrasana ny ankamaroan’ireo anisan’ny kolejin’ny loholona tao aminay. Niharihary ho fitahiana tokoa izy ireny! Toa tsy nisy fanantenana intsony ny amin’i Wyndham noho ny fitohizan’ny lotsidra sy ny fatrana hemôglôbinina ao amin’ny ra 2,9.”
Tao anatin’izay ora izay, dia tonga ny valinteny iray nilaza fa nolavina ilay fangatahana didim-pitsarana mandidy ny hampidirana ra amin’i Wyndham. “Nilazana izahay”, hoy ny nohazavain’i Chris, “fa noho i Wyndham vory saina tsara sady salama saina no anton’io fandavana io. Nahatakatra tsara izay ho vokatry ny fanapahan-keviny izy, ary nanao fanapahan-kevitra voahevitra tamim-pitandremana mifanaraka amin’ny finoany miorina amin’ny Baiboly.”
Manoloana ny fahafatesana
Tsy nisy fihatsarana mihitsy anefa i Wyndham. Raha ny marina, ny alakamisy antoandro, dia nilazana i Chris sy i Judy hoe: “Tsy manana afa-tsy ora vitsivitsy hiainana sisa ny zanakareo. Raha irinareo hijery maso azy ny mpitondra fivavahanareo sy ny havanareo alohan’ny hahafatesany, dia ho tsara kokoa ny hiantsoanareo azy ireo avy hatrany.” Nentina nijery azy i Jonathan, rahalahin’i Wyndham 9 taona.
Tamin’ny 1 ora sy sasany, dia notsoahin’ny mpanampy ny mpitsabo ilay tioba tao amin’ny tendan’i Wyndham mba hahafahany ho faty amim-pahamendrehana. Nandritra ireo ora vitsivitsy nanaraka dia nitsingilahila, toa ho faty toa ho velona i Wyndham. Na dia nampanahy aza, dia tsy niova ny toetr’aretiny raha mbola namely ny tenany ny fanaviana mafy. Nifikitra mafy tamin’ny fiainana izy tamin’io alina io.
Avy eo, taorian’ny faran’ny herinandro, dia nanomboka nihatsara izy. Notapahina ny hevitra fa halefa hody izy ny alatsinainy, satria tsy nisy zavatra hafa amboniny azo natao ho azy teny amin’ny hôpitaly. Raha vao tonga tany an-trano izy, dia nivadika ho nampanahy ny toe-javatra. Nahatsiaro i Chris: “Nobatainay niditra ny trano i Wyndham ary nampandrianay sy norakofanay tsara teo am-parafara. Tsy ampy 45 minitra taorian’izay dia nifoha izy ary nanomboka nandeha ra be dia be indray. Nivalaketraka izahay! Nivavaka tamin’Andriamanitra izahay mba hanampiany anay hiatrika ilay toe-javatra amin’ny fomba mety.”
Tsy ampy 30 minitra dia tafaverina tany amin’ilay hôpitaly teo ihany, tao amin’ilay efitrano teo ihany i Wyndham ary mbola ilay dokotera teo ihany no mpitsabo azy. Nidina ho 2,5 ny fatrana hemôglôbinany. Tamin’io takariva io dia nampidirana ôksizena i Wyndham, satria sarotra taminy ny nisefo. Nitohy hatrany ilay ady mba hahavelomana ny andro nanaraka raha niseho ny fitsidihana iray nampahery indrindra. “Tonga nijery an’i Wyndham ny mpiandraikitra ny distrikanay, i Sarel sy i Maryann vadiny”, hoy ny nohazavain’i Judy. “Nijoro teo akaikin’ny farafaran’i Wyndham i Sarel, nihazona ny tanany ary nanolotra vavaka iray avy amin’ny fo tamin’i Jehovah. Nahatsiaro ho nahazo hery izahay taorian’io fitsidihany io.”
Nandritra io krizy io dia nanome fanampiana nandaitra ilay kongregasiona kristiana. Nisy lisitra nataon’ny kongregasiona ho an’ireo izay afaka nikarakara sakafo tsy ho an’ny fianakaviana Cook fotsiny fa ho an’ireo Vavolombelona hafa nifandimby tamin’izy ireo koa. Nanadio ny trano ireo tanora, nanome sakafo ny alika, nampirehitra ireo jiro, sy ny hafa koa. Nataon’izy ireo avokoa ireo zavatra madinidinika izay tsy tonga tao an-tsain’ny fianakaviana akory. Ny fanohanana sy ny fampaherezana avy amin’ireo namana kristiana amin’ny fotoana toy itony dia tsy tokony hohamaivanina na oviana na oviana.
Mbola nanapa-kevitra ihany indray ireo dokotera fa ankoatra ny fanomezan-dra, dia tsy nisy na inona na inona azon’izy ireo natao intsony ho an’i Wyndham. Noho izany, na dia mbola nampidirana ôksizena ary nanana fatrana hemôglôbinina ao amin’ny ra ambanin’ny 2 aza izy, dia nalefa nody.
Fahasitranana
Nampirisihana ny hampiasana ilay fanafody hoe “érythropoïetine”, endrika sentetika-na hôrmôna izay manaitaitra ny tsoka ao amin’ny taolana hamokatra liomena amin’ny fatra mifandanja amin’ny fomba nohafainganina, mba hampiakarana ny fatrana hemôglôbinina ao amin’ny ran’i Wyndham.a Tsy ekena ho ara-dalàna atsy Afrika Atsimo io fomba fitsaboana io, saingy nosoniavina ny taratasy fanalana andraikitra iray ary ny dokoteram-pianakaviana no nanome ilay fanafody. Niakatra ho 6,2 ny fatrana hemôglôbinina tao amin’ny ran’i Wyndham nony afaka telo herinandro, ary tao anatin’ny 6 herinandro dia nanjary 11,5 izany. Roa volana tatỳ aoriana dia efa ampy tanjaka mba handany volana iray hiarahana amin’ny fianakaviany amin’ny fanaovana fitoriana ampahibemaso amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy izy.
Ny iray tamin’ireo vokatra tsara dia tsara nateraky ny fitoloman’i Wyndham tamin’ny fahafatesana dia ny akon’izany teo amin’ireo tanora hafa tao amin’ny kongregasiona. Manamarika i Judy hoe: “Heveriko fa nahatsapa izy ireo fa afaka ny ho voatosika haneho fijoroana toy izany eo no ho eo. Teny amin’ny hôpitaly izy ireo, voakasik’ilay fitsapana manontolo, ary heveriko fa tafita tany amin’izy ireo ilay hafatra hoe: ‘Tena mandray ny fahamarinana ho zava-dehibe ve isika?’ ”
Hatramin’io fisehoan-javatra io, dia niaritra tamim-pahombiazana fisehoana lotsidra roa hafa i Wyndham. Nahatakatra i Wyndham fa noho ny fahosan’ny toe-batany dia mety hijaly noho ny fiverenan’ny aretina indray izy amin’ny fotoana rehetra. Kanefa na inona na inona hitranga amin’ny hoavy, dia manantena mafy ny fotoana hanomezan’i Jehovah Andriamanitra azy fahasalamana tonga lafatra ao amin’ilay paradisa eto an-tany mbola ho avy i Wyndham Cook. Eo anelanelan’izay i Wyndham, dia tapa-kevitra tanteraka ny hanohy hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. — 2 Petera 3:13, 14; Apokalypsy 21:3, 4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay bokikely hoe “Comment le sang peut-il vous sauver la vie?” navoakan’ny The Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 28]
I Wyndham sy ireo ray aman-dreniny