FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/4 p. 14-22
  • Zava-baovao eo amin’ny fanorenana iraisam-pirenena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zava-baovao eo amin’ny fanorenana iraisam-pirenena
  • Mifohaza!—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ho fanatanterahana ny faminanian’ny Baiboly
  • Fitaran’ny asan’ilay Fanjakana
  • Tonga amin’ny ilàna azy ilay fandaharana vaovao
  • Mahafeno fepetra mba hanompo
  • Fanampiana avy amin’ireo vehivavy vady
  • Fankasitrahana noho ny tombontsoa tamin’ny asa
  • Ny fomba fanorenana antsoina hoe “Tilt-Up”
  • Ireo biraon’ny tompo-marika (ingénieurs)
  • Tetikasa fanorenana vao haingana
  • Fandinihana mialoha ny zavatra ilaina
  • Fiomanana ho amin’ireo zavatra ilaina amin’ny hoavy
  • Fiaraha-manorina Eran-tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Manompo ny Rahalahy Maneran-tany Izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Vonona Hahafoy ny Fotoananao sy ny Herinao ve Ianao?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1995
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/4 p. 14-22

Zava-baovao eo amin’ny fanorenana iraisam-pirenena

MARO be no talanjona amin’ireo fanorenana tahaka ireo rirakitson’i Egypta sy ny mandan’i Sina. Mampitolagaga koa ireo trano môderina misy rihana avo dia avo any amin’ny 400 m. Kanefa, dia mahatalanjona toy izany koa ny fomba fanao amin’ny fandaharam-panorenana hafa iray.

Misy mpiasa an-tsitrapo eo am-panorenana fitambaran-trano makadiry am-polony maro maneran-tany. Ny ankamaroan’ireo mpiasa an-tsitrapo ireo dia avy ao amin’ireo tany anorenana ireo trano avo ireo. Matetika anefa, satria nilaina ny fanampiana amboniny, dia nandany an-tapitrisany dôlara maro tamin’ny volan’izy ireo manokana ireo mpiasa avy any amin’ireo tany hafa mba handoavana ny saran-dalan’izy ireo ho any amin’ireo toeram-panorenana lavitra. Maro tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo ireo no namoy ny fotoam-pialan-tsasany mba hiasana; nangataka fahazoan-dalana tsy hiasa ny hafa ary araka izany dia namoy vola be tokony hiditra aminy.

Ity fiezahana hanampy miavaka ity dia fandaharam-panorenana ataon’ny mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena izay alamin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York. Hatramin’ny fanombohan’io fandaharam-panorenana io tamin’ny Novambra 1985, dia olona mihoatra ny 3 000 no nianto-tena ho any amin’ireo toeram-piasana maherin’ny 30 tany Amerika atsimo sy avaratra, Aostralia, Afrika, Eoropa, ary ireo nosy samihafa.

Amin’izao fotoana izao, dia mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena eo amin’ny 600 eo ho eo no miasa any amin’ny tany 25 eo ho eo. Efa-jato mahery amin’izy ireo no manao asa fanendrena maharitra herintaona na mahery, ary antsoina hoe “Mpanompo iraisam-pirenena” izy ireo. Ny sisa dia manao asa fanendrena vonjy maika eo amin’ny tapa-bolana ka hatramin’ny telo volana.

Nahoana ireo mpiasa rehetra ireo no manolotra an-tsitrapo ny fahaizany ary miasa mafy maimaimpoana? Inona no heverin’izy ireo ho zava-dehibe aoka izany ka mahatonga azy hanao ireo sorona manokana ireo?

Ho fanatanterahana ny faminanian’ny Baiboly

Ny antony mahatonga ireo vokany mahatalanjona amin’ny fandaharam-panorenana iraisam-pirenena dia hita ao amin’ny valim-panontaniana iray. Maherin’ny 1 900 taona lasa izay, ireo apostolin’i Jesosy Kristy dia nanontany azy hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Rehefa avy nitanisa ireo toe-javatra toy ny ady miely hatraiza hatraiza, ny tsy fahampian-tsakafo, ny areti-mandringana, ary ny horohorontany, i Jesosy dia nilaza hoe: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:3, 14, MN.

Miaiky ireo mpiasa an-tsitrapo fa izao no fotoana izay ahatanterahan’io faminanian’i Jesosy io. Noho izany, dia faly izy ireo manao izay rehetra azony atao mba hampandrosoana ny fitoriana ilay Fanjakana, alohan’ny hahatongavan’ny faran’ity fandehan-javatra ity. Naorina io fandaharam-panorenana iraisam-pirenena io mba handaminana ny fiezahan’ny olona toy izany izay hanorina ireo trano fanaovana pirinty sy hizarana ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Fitaran’ny asan’ilay Fanjakana

Tamin’ny herintaona, dia gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! 678 509 507, izay mampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenana ho an’ny olombelona, no natonta pirinty tao amin’ireo trano nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany dia midika fa misy gazety roa tapitrisa mahery — tahaka ity iray vakinao ity — mivoaka amin’ireo milina fanontam-pirinty isaky ny andro iasana! Ambonin’izany, dia Baiboly, boky, ary bokikely am-polo tapitrisany maro no atonta sy zaraina isan-taona.

Ny trano fanontam-pirinty lehibe indrindra dia any amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, sy any akaikin’i Wallkill, any amin’ny tapany avaratry ny fanjakan’i New York. Nandritra ireo taona 1950 sy 1960 anefa dia trano fanontam-pirinty maro koa no naorina tany ivelan’i Etazonia. Araka izany, hatramin’ny 1970, dia natonta tany amin’ireo trano nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, Afrika atsimo, Kanada, Angletera, Soisa, Danemarka, Soeda, Finlanda, ary tany Frantsa Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!

Taorian’izay, tamin’ny 1972 sy 1973, dia natomboka navoaka avy tany amin’ireo trano fanontam-pirintin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny tany enina hafa koa ireo gazety: Japana, Brezila, Aostralia, Ghana, Nizeria, ary Philippines. Tamin’ireo taona nanaraka, satria mitombo ny asan’ilay Fanjakana, dia natomboka ny fanorenana ireo biraon’ny sampana vaovao miaraka amin’ireo fanontam-pirinty lehibe sady matanjaka kokoa. Mba hanombanana izany fitarana haingana izany, dia diniho tsara fa fitambaran-tranon’ny sampana maromaro miaraka amin’ireo trano fanontam-pirinty vaovao hamoahana Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! no nitokanana tany amin’ireto tany manaraka ireto:

Tany Gresy, 16 Janoary 1979; Soeda, 23 Desambra 1980; Brezila, 21 Martsa 1981; Kanada, 10 Oktobra 1981; Italia, 24 Aprily 1982; Repoblikan’i Korea, 8 May 1982; Japana, 15 May 1982; Aostralia, 19 Martsa 1983; Danemarka, 21 May 1983; Espaina, 9 Oktobra 1983; Pays-Bas, 29 Oktobra 1983; Alemaina, 21 Aprily 1984; India, 20 Janoary 1985; ary tany Afrika atsimo, 21 Martsa 1987.

Ankoatra izany, dia nisy fitokanana biraon’ny sampana vaovao na fanitarana lehibe kokoa ny biraon’ny sampana tranainy tany Côte d’Ivoire, tamin’ny 27 Febroary 1982; Tahiti, 15 Aprily 1983; Angletera, 2 Oktobra 1983; Finlanda, 5 May 1984; Norvezy, 19 May 1984; Martinika, 22 Aogositra 1984; Peroa, 27 Janoary 1985; Meksika, 13 Aprily 1985; Venezoela, 21 Aprily 1985; ary tany Frantsa, 4 May 1985.

Na dia nataon’ireo mpiasa tsy Vavolombelona nokaramaina aza ny sasany tamin’ny asa fanorenana an’ireo sampana vitsivitsy, dia ireo Vavolombelon’i Jehovah no nanao be indrindra tamin’izany tamin’ny ankapobeny. An’arivony maro tamin’izy ireo no nanolotra an-tsitrapo ny asany na dia maro be tamin’izy ireo aza no tsy nanana fahaizana manokana amin’ny asa fanorenana.

Koa satria mitombo hatrany ny fitoriana ilay Fanjakana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ilaina ny fanitarana ireo trano naorina. Ahoana no nahafahana nanorina azy ireny tamin’ny fomba mahomby kokoa?

Tonga amin’ny ilàna azy ilay fandaharana vaovao

Mba handaminana sy hanampiana noho ny fitomboana mahagaga eo amin’io asa fanorenana iraisam-pirenena io, dia novolavolaina ny tetikasa ary notontosaina ny fandaharana manokana ho an’ny mpiasa an-tsitrapo. “Mandritra ny fanaovana tetikasa momba ny fanorenana dia misy mpiasa manana fahaizana voafaritra tsara ilaina amin’ny fotoana voafaritra tsara”, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ireo mpiandraikitra ny fandaharana. “Tsy mila mpanamboatra tafo ianareo rehefa halatsaka ny fototra. Noho izany, dia naorina ao Brooklyn, New York, ny biraon’ny mpiasa iraisam-pirenena mba handrindra ny asa.”

Araka izany, rehefa tonga ireo fangatahana mpiasa, dia natao ho “Mpandamin-draharaha” ny biraon’i Brooklyn. Mampifandrindra izay ilaina amin’ny tetikasa momba ny fanorenana maneran-tany mikasika ireo mpiasa mifanentana amin’ny asa any, izy io. Ohatra, koa satria efa ho vita ireo toeram-ponenana vaovao fanampiny tany amin’ny sampan’i Meksika, tamin’ny 1988, dia natao ny antso tany Brooklyn momba ny manam-pahaizana manokana amin’ny fametahana karipetra. Tao anatin’ny minitra vitsivitsy, ny birao dia nandefa olona efatra ampy fanandraman-javatra izay faly nanolo-tena an-tsitrapo. Rehefa tonga ny fotoana nitokanana ilay trano fanampiny tamin’ny Janoary 1989, dia voapetaka ireo karipetra ary hita ho tena tsara tarehy.

Mahafeno fepetra mba hanompo

Mba handraisana anjara amin’ny fandaharana ho an’ny mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena, dia ilain’ny mpiasa iray, voalohany indrindra ny hahafeno fepetra. Ny mpiasa an-tsitrapo tsirairay dia tsy maintsy Vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa. Any Etazonia, izay mikasa ho tonga mpiasa an-tsitrapo dia tsy maintsy miasa ao amin’ny iray amin’ireo toeram-piasan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao New York aloha. Izany dia ahafahana manombana ny fahazarany sy ny fahaizany miasa. Avy eo izy dia mety hasaina hanao fangatahana ho amin’ny fandaharana. Na dia mazàna aza no tsy asaina hiasa miaraka amin’ireo vadiny any New York ireo vehivavy vadin’ireo mikasa ho tonga mpiasa an-tsitrapo, dia afaka mahafeno fepetra ho amin’ny fandaharana izy ireo ary hameno ny taratasy fangatahana.

Ireo Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo tany hafa dia afaka mangataka mba handray anjara amin’ny fandaharana amin’ny fangatahana taratasy fameno any amin’ny sampana eo amin’ny toerana misy azy ireo. Io taratasy fangatahana io dia alefa any amin’ny birao ao amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn izay manara-maso ireo mpanompo iraisam-pirenena sy ireo mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena hafa. Avy eo dia ampahafantarina ilay mpangataka rehefa ilaina ilay fahaizany manokana.

Fanampiana avy amin’ireo vehivavy vady

Na dia tsy manana ny fahaizana ilaina amin’ireo asa aza mazàna ireo vehivavy vadin’ireo mpiasa amin’ny fanorenana, dia maro amin’izy ireo no nampianarina hanakambana tsỳ (acier) fanao tanjaka amin’ny tariby, mametaka sy manentsina ireo sisina taila amin’ny ngorodona, ary koa mandraraka fasika sy mandoko. Ny hafa dia mikarakara ireo raharaha an-tokantrano ilaina. Amin’izany fomba izany no andraisan’izy rehetra ireo anjara amin’ny fomba tsara dia tsara amin’ny asa atao eny amin’ireo toeram-panorenana maneran-tany.

Vao haingana ny vehivavy vady iray izay niara-niasa tamin’ny vadiny tamin’ny fanorenana ny biraon’ny sampana vaovao any Porto Rico dia nanoratra tany amin’ny biraon’i Brooklyn hoe: “Tonga izahay tamin’ny 1 Janoary 1991, mba hanao ny asa nanendrena anay iray volana. Niara-niasa tamin’ny antokon’olona izay manakambana tsỳ (acier) fanao tanjaka mba hahaforona tsihy vy aho. Izany no asa ara-batana mafy indrindra nataoko hatramin’izay. Izany dia mahafaoka famolahana sy fanakambanana ireo tsỳ lavalava kely, amin’ny fampiasana tandra (pinces) sy bôbinina fasiana tariby — mandritra ny andro!

“Tamin’ireo andro vitsivitsy voalohany dia latsaka foana ny satroka fiarovan-dohako, ary dia voafatotro foana tamin’ny tsihy ireo gan-tanako ngezabe. Haiko tsara ihany anefa izany asa izany tamin’ny farany. Bandy dimy na enina no nisakanana ireo fiempahana tamin’ny tanako mba tsy hiitatra. Nianatra nandrefy tamin’ny fampiasana planina aho, nanao ireo tsipika tamin’ny tsaoka, ary nanisy marika ny tsỳ hatao amin’ny tsihy tsirairay. Asa nahafaly tokoa izany. Ny ampahany lehibe tamin’ny zavatra fanaoko andavanandro dia niverimberina foana — ny fanadiovana, ny fahandroana sakafo, ny fanasan-damba, sy ny sisa. Ireo tsihy natao tamin’ny tsỳ anefa dia ho ao anatin’ireo rindrina foana izay hijoro raha mbola mijoro koa ny sampana. Mitondra fahafaham-po ny fisaintsainana izany!”

Fankasitrahana noho ny tombontsoa tamin’ny asa

Nilaza toy izao ny mpiandraikitra iray tamin’io asa fanorenana iraisam-pirenena io: “Izany no zavatra miavaka indrindra azonao saintsainina. Mampiasa ireo fotoam-pialan-tsasany ny olona mba handehanana ho any amin’ireo toeram-piasana lavitra, mianto-tena. Mety hiasa mafy kokoa izy ireo any ary mandritra ny ora maro kokoa raha oharina amin’ny ataon’izy ireo mandritra ny taona. Ary rehefa tafaverina any aminy izy ireo, dia manoratra ho fisaorana anay noho ny tombontsoa!”

Milaza toy izao ohatra ny taratasy iray faramparany: “Manoratra izahay ho fisaorana anareo noho ny tombontsoa lehibe dia lehibe nanananay tamin’ny fiasana nandritra ireo telo volana tany amin’ny sampana any Philippines. Amin’ny fifaranan’ny andro fiasana tsirairay avy, dia reraka ara-batana izahay, araka ny efa nampoizinay, kanefa miorina ara-panahy tokoa noho ny fiarahanay tsara dia tsara. Nahafaly anay ny nahafantatra maro tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo hafa izay tany, ary tohina mafy izahay noho ireo Vavolombelona teo an-toerana izay niarahanay niasa. Nanjary tianay fatratra tokoa izy ireo, toy ny anisan’ny fianakavianay.”

Nanoratra toy izao ny mpivady izay nandeha tany Equateur: “Nianatra niaina tsy tamin’ny sakafo tsizarizary izahay, nidio tamin’ny rano kely fotsiny, ary niharatra sy nandro tamin’ny rano mangatsiaka. Tsy takatray mihitsy hoe hatraiza ny fomba fisainanay no voataonan’ny dokam-barotra. Nanome ny tsara indrindra avy aminay izahay tao amin’ny toeram-piasana, nefa nandao izany nahazo betsaka kokoa noho izay nomenay. Mahantra ara-nofo ireo rahalahintsika any Equateur, raha ampitahaina amin’ny fari-piainana amerikana, kanefa dia miavaka ny fahatanjahany ara-panahy sy ny fankamamiany ny asa fitoriana. Tsy misy teny mahalaza ny fihetseham-ponay momba io tombontsoa io.”

Ny fomba fanorenana antsoina hoe “Tilt-Up”

Lafiny iray tsy manan-tsahala amin’ny asa fanorenana iraisam-pirenena ny fampiasana ny fomba “tilt-up”. Amin’izany dia misy fanamboarana rihibato hanaovana rindrina lehibe eo amin’ny toerana marindrano, ary avy eo dia atsangana amin’ny toerany ireo takela-drindrina natao tamin’ny rihibato misy tsỳ (panneau en béton armé). Mety ho eo amin’ny haavona rihana telo eo ireo ary milanja 20 taonina anefa. Ireo takela-drindrina dia natao teo ambonin’ny ngorodon’ny trano avo vita tamin’ny vato fisaka matevina na teo ambonin’ny vato fisaka matevina fanaovana rihibato atao rindrina teo akaiky teo.

Takela-drindrina enina na valo no afaka mifanainginaingina. Rehefa ampy tanjaka ireo takela-drindrina — mazàna aorian’ny fito andro — dia ampiasaina ny milina fampakarana entana mavesatra hananganana azy ireny (somary miraika) eny amin’ny toerany. Amin’izao fotoana izao dia ampiasaina anatiny sy ivelan’ny rindrina ary koa amin’ireo trano avo misy rihana maromaro ireo takela-drindrina. An-jatony maro tamin’ireo takela-drindrina ireo, ohatra, no nampiasaina tamin’ny rihana 11 amin’ny tranon’ny sampana any Philippines. Ilaina holokoana fotsiny ireo takela-drindrina vita tamin’ny rihibato malama tsara voamboatra alohan’ny hananganana azy.

Tsy natao mba hitsitsiana fotoana fotsiny io fomba fanorenana io fa hahafahana hampiasa amin’ny fomba tsara ireo mpiasa tsy dia ampy fahaizana loatra koa. Nilaza toy izao ny gazety Concrete, momba ny fanorenana trano fiasana vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Angletera: “Mety amin’ny ilain’izy ireo indrindra ny fanorenana ‘tilt-up’ noho ny fahatsoran’io fomba fanorenan-trano io (...). Ny tombontsoa raisina voalohany indrindra amin’io fomba io mandrakariva dia ny fitsitsiana ny fotoana sy ny vola mivoaka.”

Momba ny fanorenana “tilt-up” dia nanampy toy izao ilay gazety: “Ny fahafahany manorina velaran-drindrina lehibe (rindrina matanjaka afaka mifanainginaingina) ao anatin’ny fotoana fohy, miaraka amin’ny fampiasana ireo mpiasa eo an-toerana tsy ilàna fanaraha-maso manokana, no mahatonga io fomba io ho haingana sy tsy mandany firy.” Noho izany, dia mety indrindra ny hampiasan’ny fandaharam-panorenana vaovao io fomba tsotra sy mahomby io!

Ireo biraon’ny tompo-marika (ingénieurs)

Ny toromarika momba io fandaharam-panorenana iraisam-pirenena io dia avy amin’ny biraon’ny tompo-marika lehibe iray ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York. Ao, ireo tompo-marika zato mahery, ireo mpanao mari-trano, ary ireo manam-pahaizana amin’ny fanaovan-tsary — mpikambana ao amin’ny foibe — dia miasa amin’ny fanaovana ireo planina. Mba hanampiana amin’ny fiantsorohana ny asa mitombo hatrany, dia naorina vao haingana any Japana, Aostralia ary any Eoropa ireo biraom-paritry ny tompo-marika.

Tamin’ny 1987, ny CAD (Computer Aided Design) dia nampiasaina voalohany mba hikarakara ny fanaovan-tsary. Ny foibe CAD mahazatra dia misy karazana fampitaovana maromaro. Amin’ny fampiasana azy ireo miaraka no ahafahana manomana ireo sary amin’ny ôrdinatera toy izay hanao sary amin’ny tabilao amin’ny alalan’ny tanana. Amin’izao andro izao, dia foibe CAD 65 mahery no ampiasaina any Brooklyn sy any amin’ireo sampana.

Koa satria ireo sary dia azo tahirizina ao amin’ny fitadidian’ny ôrdinatera, ireo sary tamin’ny tetikasa teo aloha dia azo ampidirina amin’ireo sary ankehitriny. Izany dia manampy amin’ny famoronana ary koa amin’ny fampitoviana ireo sary sy fanorenana.

Tetikasa fanorenana vao haingana

Koa satria mihalehibe ny biraon’ny tompo-marika any Brooklyn, dia mitombo toy izany koa ny hevitra momba ny handaminana mpiasa an-tsitrapo hanao ny asa. Azo lazaina fa nanomboka tamin’ny 1985 ny fandaharana, fony nanaiky hanampy hanorina ny sampana vaovao any Panama ireo mpiasa avy any amin’ny tany hafa. Nitombo ihany izany rehefa nila fanampiana tamin’ny fanitarana ho lehibe dia lehibe ny sampany i Peroa. Ary tena natomboka notanterahina ilay fandaharana tamin’ny fanorenana ireo sampan’i Costa Rica sy Nizeria. Tsy ela taorian’izay dia nalefa ireo mpiasa tena nilaina mba ho fanampiana amin’ireo vinavinam-panorenana maneran-tany.

Ankehitriny ireo mpanompo iraisam-pirenena sy ireo mpiasa an-tsitrapo hafa dia nanampy tamin’ny fanorenana sampana vaovao maro be ary koa tamin’ny fanitarana ireo efa tranainy kokoa, anisan’izany ny ankamaroan’ireo vao vita hatramin’ny fiandohan’ny 1986. Tao anatin’ny dimy taona lasa teo ho eo, dia vita tanteraka ireo fanorenana ary nitokanana ny tany Panama, Costa Rica, Silia, Meksika, Nouvelle-Zélande, Haiti, Liberia, Aostralia, Equateur, Papouasie Nouvelle-Guinée, Guyane, Ghana, Hawaii, Portiogaly, Hong Kong, Shypra, Peroa, El Salvador, Maurice, Japana, Honduras, Guatemala, Nizeria, Arzantinina, Aostralia, Nouvelle-Calédonie, Fidji, Philippines, ary Gresy.

Maro tamin’ireo no tetikasa goavana. Any Nizeria, raha ny marina, dia tànana kely iray no voaorina eo amin’ny faritra 57 hektara. Naorina ao ny toeram-panontam-pirinty iray 140m ny halavany ary 70 m ny sakany, ary koa ireo trano fonenana afaka mampialoka olona maherin’ny 400, birao, garazy, ary ireo trano avo hafa. Fitaovana ilaina amin’ny fanorenana nalefa avy tany Etazonia fotsiny dia ampy hamenoana “containers” fitondrana entana 347, izay raha alahatra mifampitohitohy, dia hiitatra hatrany amin’ny 3 kilaometatra sy sasany!

Indraindray dia misy ny fanoheran’ny klerjy ireo tetikasa fanorenana. Tany Gresy dia nandahatra fiara fitateram-bahoaka 40 feno mpanohitra ny klerjy tamin’ny Martsa 1989, kanefa nanohana ny zo ara-dalànan’ireo Vavolombelona mba hanao fanorenana ny pôlisy, ary dia tsy nahomby ilay fanoherana. Vita ary nitokanana tamin’io lohataona io ilay sampana vaovao miaraka amin’ny toeram-panontam-pirinty vaovao lehibe sy trano fonenana 22 afaka mampialoka olona maherin’ny 170.

Tany Frantsa, ny evekan’i Evreux, i Jacques Gaillot, dia tsy nankasitraka ireo planina momba ny sampana vaovao lehibe an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Louviers. Nilaza izy fa ny fanompoana ampahibemaso ataon’ireo Vavolombelona dia tsy “manaja ny fahamendrehan’olombelona.” Kanefa, tsy niombon-kevitra tamin’ilay eveka ireo olona hafa. Mihevitra izy ireo fa tokony hanana ny zony hanitatra ireo tranony eo amin’ilay faritra ireo Vavolombelona, toy ny ataony any amin’ny toerana maro hatraiza hatraiza maneran-tany.

Amin’izao fotoana izao, dia misy mpiasa an-tsitrapo mpanao fanorenana iraisam-pirenena manatanteraka ny tetikasa any amin’ny sampana any Kolombia, Porto Rico, Zambia, Brezila, Angletera, Kanada, Repoblika Dominikana, Equateur, Polônina, Guadeloupe, Thailande, nosy Sous-le-vent, Bahamas, Samoa andrefana, Tahiti, nosy Solomona, Venezoela, Repoblikan’i Korea, Afrika Atsimo, ary Alemaina. Ireo vinavinan’asa hafa dia efa eo am-pikarakarana, anisan’izany ireo sampana vaovao na ireo fanitarana ny efa misy ankehitriny any Frantsa, Espaina, Meksika, Sri Lanka, Taiwan, ary Siorinama.

Fandinihana mialoha ny zavatra ilaina

Rehefa nanome lalana hanao fanitarana 50 isan-jato amin’ny biraon’ny sampana any Alemaina ny kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1988, dia nisy mpitazana nihevitra ilay fanitarana ho lehibe loatra. Kanefa tamin’ny 1989 sy 1990, ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nekena ho ara-dalàna na nanomezan-dalana ny fanaovana izany an-karihary tany Pôlônina, Hongria, Alemaina atsinanana, ary Romania. Ary tamin’ny 27 Martsa, tamin’io taona io ihany, dia nekena tany amin’ny firaisana Sôvietika ho toy ny fandaminana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tany amin’ireo tany any Eoropa atsinanana dia olona maherin’ny 250 000 no nanatrika ny fivoriambe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fahavaratra farany teo ary maimay erỳ izy ireo handray boky momba ny Baiboly. “Nandritra ny roa volana monja”, hoy ny nomarihin’ny 1991 Britannica Book of the Year, “ny biraon’ny sampana Watchtower Society any Alemaina andrefana dia nandefa boky ara-baiboly 275 taonina, anisan’izany ireo Baiboly 115 000, nalefa tany Alemaina atsinanana fotsiny.” Araka izany, amin’izao fotoana izao dia ilain’ny sampana any Alemaina ny fanomezan-dalana amin’ny fanitarana tsikelikely, ary ilainy haingana izany!

Fiomanana ho amin’ireo zavatra ilaina amin’ny hoavy

Araka ny azonao alaina sary an-tsaina, ny fitoriana ‘ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny tany onenana manontolo alohan’ny hahatongavan’ny farany’ ho fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy dia mitaky fiezahana goavana. (Matio 24:14, MN). Ary miharihary fa manao izany fiezahana izany ireo kristiana marina maneran-tany. Manao izay rehetra azony atao amin’ny fomba voalamina tsara izy ireo mba ho voatory amin’ny firenena rehetra ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Ho fanatanterahana izany, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia mampitombo ny fahafahan’izy ireo hamoaka boky momba ny Baiboly ao amin’ny foibeny maneran-tany ao Brooklyn, New York. Mandroso ankehitriny ny fanorenana trano misy rihana 30, ao amin’ny 90 Sands Street, mba hahafahana hampialoka mpikambana arivo amboniny ao amin’ny foiben’izy ireo ary nokasaina hovitaina tanteraka amin’ny 1993.

Ny fandaharam-panorenana lehibe indrindra anefa, dia ilay eo akaikin’i Patterson, New York, izay efa eo am-panaovana azy ankehitriny, 110km eo ho eo avy eo New York City. “Rehefa vitany [ireo Vavolombelon’i Jehovah] izany any amin’ny 1996”, hoy ny filazan’ny The New York Times tamin’ny 7 Aprily 1991, dia “hanorina trano fonenana 6 misy rihana 2 ka hatramin’ny 5 izy ireo, hisy fitambaran’efitra 624, garazy 450, efitra fiantranoana 144, lakozia midadasika sy trano fisakafoana hihinanan’ny olona 1600 indray miditra, birao, trano fianarana, ary trano fiasana maromaro.” Mpiasa an-tsitrapo an-jatony maro no miasa mafy maimaimpoana mba hanorina io foibe goavana fianarana momba ilay Fanjakana io.

Eo an-dalam-pandrosoana tokoa ny fandaharam-panorenana iray mampitolagaga any amin’ny faritra rehetra maneran-tany — izy rehetra ireny dia narindra ary nataon’ireo mpiasa an-tsitrapo. Tena misy zava-baovao marina tokoa amin’ny fanorenana iraisam-pirenena!

[Sary, pejy 16]

Ny famatorana tsỳ fanao tanjaka dia anisan’ny asa fanorenana

[Sary, pejy 18]

Amin’ny fomba fanorenana antsoina hoe “tilt-up”, ireo takela-drindrina vita amin’ny rihibato dia azo amboarina eo ambonin’ny takela-drindrina vita amin’ny rihibato hafa iray. Rehefa ampy tanjaka ireo takela-drindrina, dia atsangana eo amin’ny toerany

[Sary, pejy 19]

Ny fitambaran-trano vaovaon’ny sampana any Pôlônina dia naverina nodinihina any Brooklyn. Efa nomanina ao amin’ny ôrdinatera ireo mari-trano

[Sary, pejy 20]

Misy fitambaran-trano vaovaon’ny sampana kasaina hatao any Porto Rico, Zambia, ary any amin’ny nosy Sous-le-Vent

[Sary, pejy 21]

Ireo mpiasa an-tsitrapo amin’ny tetikasa fanorenana any amin’ny tany Eoropeana iray

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara