FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/7 p. 15-17
  • Ahoana no ahafahako miatrika ny fahantrana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no ahafahako miatrika ny fahantrana?
  • Mifohaza!—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fandriky ny fitsiriritana
  • Tombàny izay anananao
  • Fitsitsiana ao an-trano
  • Fidiram-bola fanampiny
  • Ny fianarana sy ny fahantrana
  • Banjino ny eo aloha
  • Inona no Hataoko fa Mahantra Izahay?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Ahoana raha mahantra ny fianakaviako?
    Mifohaza!—1992
  • Voagadran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
  • Ny fitomboan’ny fahantrana​—loza mananontanona ny rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/7 p. 15-17

Ahoana no ahafahako miatrika ny fahantrana?

I GREGORY, tanora iray tany Eoropa Atsinanana, dia nihevi-tena ho mahantra tanteraka. Tsy afaka nanana fitafiana lafo vidy na chaîne hi-fi sahala amin’ireo tanora sasany any Eoropa Andrefana izy. Farany dia nanjary kivy noho ny toe-piainana nanjaka tao amin’ny tany nisy azy i Gregory, ka nifindra monina nankany Autriche.

An’arivony kilaometatra maro miala avy eo no nisy an’i Loyiso, tanora avy any ambanivohitra, any amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Nipetraka tao amin’ny trano bongo kely niaraka tamin’ny fianakaviany i Loyiso, ary nitsiriritra ireo tanora tany amin’ny tanàn-dehibe iray akaiky azy, izay nanana “zavatra mampiadana” mahatalanjona — rano ao an-trano sy jiro mandeha amin’ny herin’aratra.

Na dia izany aza, i Vasco, tanora afrikana iray dia mety ho nihevitra an’i Loyiso sy i Gregory ho mpanankarena. Norahonan’ny ady an-trano teo an-toerana i Vasco ka nandeha an-tongotra kilaometatra maro namakivaky ny kirihitr’ala afrikana mampidi-doza mba ho velona fotsiny.

Araka izany, ny “fahantrana” dia teny tsy manana heviny hentitra, fa miovaova arakaraka ny tany sy ny kolontsaina. Ny rakibolana anglisy iray dia mamaritra ny “fahantrana” ho izay zavatra manomboka amin’ny “tena tsy fahampian’ireo zavatra tsy maintsy ilaina eo amin’ny fiainana, ka hatramin’ny tsy fisian’ny zavatra mampiadana”. Mampitony ny mahatakatra fa, na toy inona na toy inona fahantranao, dia mety hisy olon-kafa hiaritra tsy fisiana lehibe lavitra noho ianao. Na dia izany aza, rehefa tsy manana akanjo mety fitondra mankany an-tsekoly ianao, na rehefa tsy manana zavatra ilaina fototra toy ny rano ao an-trano, dia mety tsy hampionona anao firy ny filazana fa misy hafa ao anatin’ny tsy fahampiana be kokoa noho ianao aza.

Ny Baiboly àry dia tsy mampiseho ny fahantrana ho toy ny zavatra manintona. Mijery ny zava-misy kosa izy ka miaiky hoe: “Ny tsi-fananan’ny ory no fandringanana azy”. (Ohabolana 10:15). Nasehon’ilay lahatsoratra teo aloha anefa fa ny tanora iray dia afaka manalavitra ny sasany amin’ireo fandriky ny fahantrana, toy ny fitondrantena mampiseho ditra. Raha miezaka ianao dia ho afaka hamboly fihetsika mahasoa sy feno fanantenana. Inona àry ireo fomba hafa sasany hiatrehina ireo fanerena isan’andro entin’ny fahantrana?

Ny fandriky ny fitsiriritana

“Tsy ho nampaninona ahy loatra raha nahantra avokoa isika rehetra”, hoy ny fitarainan’ny tanora afrikana iray 17 taona antsoina hoe Zanele. “Fa rehefa hitanao fa manana be lavitra noho ianao ny hafa, ao amin’ny televiziona na any an-toeran-kafa, dia zavatra sarotra zakaina izany.”

Tsy mahagaga mihitsy ny fihetseham-pon’i Zanele, rehefa jerena ny tevana makadiry ara-toekarena sy ara-tsôsialy mampisaraka ny olona amin’izao andro izao. Ary noho ny filazam-baovao mampideradera tsy misy henatra ny harena sy ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, dia mety hizaka fanaintainana mafy noho ny fitsiriritana toy izany koa ianao rehefa mahita ny fomba iainan’ireo tanora manana kokoa. (Jakoba 4:5, jereo fanamarinana ambany pejy.) Na dia izany aza, dia mampitandrina toy izao ny ohabolana alemanina iray: “Ny fitsiriritana dia tsy manimba afa-tsy ny fon’ny tena ihany.” — Ampitahao amin’ny Ohabolana 14:30, NW.

Marina aloha fa tsy voatery ho ratsy akory ny mitady toe-piainana tsaratsara kokoa. Kanefa ny fahantrana dia marika mampiavaka ny fandehan-javatra simban’i Satana, ary Andriamanitra irery ihany no afaka manitsy an’ity tontolo anjakan’ny tsy rariny ity — ary hanao izany izy. Raha mipetraka any amin’ny tany mahantra ianao, dia mety ho zavatra kely foana no azonao atao mba hanatsarana ny toe-javatra misy anao. Ary na dia misy aza ny fahafahana ara-bola, dia tsarovy ny tenin’i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny 4:4 hoe: “Nianarako koa ny antony mahatonga ny olona hiasa mafy aoka izany mba hahomby: satria izy ireo mitsiriritra izay ananan’ny namany. Tsy mahasoa anefa izany. Izany dia toy ny misambo-drivotra.” — Today’s English Version.

Raha toa ka zava-kendrenao ny hahazo harena amin’ny fomba rehetra, dia mety ho voan’ny fakam-panahy hampilefitra mora foana ny fari-pitondrantena arahinao ianao. Ao koa ireo toe-javatra tsy miankina aminao izay mety haharìtra ny vola nisasaranao mafy — ka hamela anao ho mahantra kokoa noho ny teo aloha. Araka izany dia mampitandrina toy izao ny Ohabolana 23:4, 5: “Aza manasa-tena hanan-karena (...). Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.”

Tombàny izay anananao

Milaza àry ve izany fa tokony hanaiky ho resin’ny tsy fananana fanantenana fotsiny ianao? Tsia dia tsia! Ny dingana manorina iray azonao atao dia ny fampifantohana ny sainao, tsy amin’izay tsy anananao, fa amin’izay anananao. Marina fa mety ho vitsy ny zavatra anananao. Kanefa ao amin’ilay bokiny hoe Fifandraisana (anglisy) ny Dr. Tony Lake dia manamarika fa “ny olona mahantra eo amin’ny lafiny ara-bola dia mety hanana harena hafa, toy ny fianakaviana tia iray, mpifanila trano feno fisakaizana na toerana mahafinaritra onenana”. Marina tokoa fa ny fananana toy izany dia misy vidiny kokoa noho ny vola! Hoy ny ohabolana iray: “Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asian-dromoromo.” (Ohabolana 15:17). Mbola manan-javatra hafa sarobidy koa ny tanora kristiana dia: ny fanohanan’ireo “fianakaviamben’ny mpirahalahy”. — 1 Petera 2:17, NW.

Angamba azonao andramana koa ny mijery ireo fanananao ara-nofo amin’ny endriny manorina kokoa. Ekena aloha fa mety hipetraka ao amin’ny trano tsotra na tranon’ny ntaolo mihitsy aza ianao. Mety hanao fitafiana efa tranainy, tonta, na mitampitampina ianao. Ary mety haniry fatratra sakafo tsy dia mitovy foana hatrany intsony ianao. Kanefa moa ve ianao mila akanjo ara-damaody na trano ary fomba mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra? Moa ve ianao mila sakafo be haingitraingitra mba hahavelona sy hahasalama anao? Mazava ho azy fa tsia! Hoy ny apostoly Paoly hoe: “Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” — 1 Timoty 6:8.

Hoy i Eldred, lehilahy iray atsy Afrika Atsimo izay nobeazina tao amin’ny fianakaviana tsy ampiampy fivelomana: “Nanaiky fotsiny izahay fa niaina tamin’ny teti-bola kely dia kely, ary tsy afaka nahazo izay rehetra nilainay.” Tsaroan’i Eldred fa rehefa nanjary rovitra ny pataloa fitondrany mianatra, dia notampenan-dreniny fotsiny izany. Tamin’ny farany, ireo tampitampina dia saiky betsaka kokoa noho ny sisa tavela tamin’ilay lamba voalohany! “Voatery niaritra fananihaniana kely aho”, hoy ny fieken’i Eldred. “Ny zavatra tena lehibe anefa, dia nadio sy nifanentana tamin’ny toe-javatra ny fitafianay.”

Fitsitsiana ao an-trano

Afaka manao dingana azo tanterahina koa ianao mba hanatsarana ny toe-javatra misy anao. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ireo “mandany haingana izay vola azony” amin-kadalana. (Ohabolana 21:20, TEV ). Misehoa ho hendry àry, amin’ny tsy fandanilaniana foana ny sakafo, na ny vola, na izay mety ho fananan’ny ankohonana. (Ampitahao amin’ny Jaona 6:12.) Ny filokana, ny fampiasana tafahoatra ny zava-pisotro misy alikaola, ny fifohana sigara — ireny dia fahazarana izay tsy vitan’ny hoe mandany vola fotsiny fa mitondra ho amin’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra koa. (2 Korintiana 7:1). Raha tsy manao zavatra amim-pahendrena amin’ireo lafiny ireo ny mpikambana hafa ao amin’ny fianakaviana, dia manomeza ohatra ho azy ireo amin’ny fitondrantenanao manokana. — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 4:12.

Fomba hafa iray handraisana anjara amin’izay hahasoa ny fianakaviana ny fanampiana ireo ray aman-dreninao amin’ireo raharaha ao an-tokantrano. Manolora tena hanampy amin’ny fahandroan-tsakafo, amin’ny fanadiovana, amin’ny fanamboarana izay simba ary amin’ny fikarakarana ny zaridaina. Ny fanaovana toy izany dia hanome anao fahatsapana ho nahavita zavatra amim-pahafaham-po.

Fidiram-bola fanampiny

Misy tanora sasany afaka mandray anjara mivantana amin’ny fidiram-bolan’ny fianakaviana amin’ny fanaovana asa tapa-potoana. I Loyiso, voalaza tetsy aloha, dia nivarotra anana; namboly izany teo amin’ny sombin-tany kely tao ambadiky ny tranony izy. Ireo vokatra vao notazana dia natao koa mba hanampiana ny sakafon’ny fianakaviana. “Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina”, hoy ny Ohabolana 28:19. Hitan’i Loyiso fa marina ireo teny ireo.

Nisy tanora sasany nanomboka nivarotra fitafiana, sakafo, ary kitay. Ny hafa dia nanao ireo fanamboarana tsotsotra izay simba ao an-tokantrano, manao asan’ny irakiraka, na miandry zanak’olona.

Ny fianarana sy ny fahantrana

Araka ny Boky Britanika Momba ny Taona 1989 (anglisy), dia tanora mahantra kokoa maro no tsy mahita “afa-tsy tombony kely amin’ny fanohizana mianatra any an-tsekoly”. Trano fianarana any amin’ny tany maro mazàna no tery sy tsy ampy fitaovana. Ary rehefa ampitahain’ny tanora ny fanantenana asa kely karama sy ny fomba sasany hahazoam-bola haingana saingy tsy ara-dalàna, dia tsy maniry handeha any an-tsekoly intsony ny sasany.

Ny tsy fianarana anefa, dia manamafy tsotra izao ny famikiran’ny fahantrana. Mety hila fifehezanao ny tenanao izany, kanefa dia hendry ianao raha manohy mianatra! Hevero ny tanànan’i Howrah, faritànana feno mponina mahantra any Calcutta, any India. Any dia misy olona 800 000 miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny. Ny ankamaroan’ny ankizy dia manao asa ambany mandritra ny andro; kanefa dia maro no manatrika fianarana amin’ny alina mba hahazoana fahaizana. Koa na dia sarotra aza ny fandehanana any an-tsekoly, aza miala. Ny fianarana dia afaka manampy anao hampitombo ny fahaizana miresaka sy misaina — fahaizana manao zavatra izay afaka manampy anao hahita asa indray andro any.

Banjino ny eo aloha

“Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.” (Ohabolana 22:2). Izany zava-misy izany dia nanampy tanora Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro hiatrika tamim-pahombiazana ny fahantrana. Takatr’izy ireo tsara fa ny fahasambarana dia tsy miankina amin’ny fananana zavatra ara-nofo, fa amin’ny fisakaizana amin’i Jehovah Andriamanitra, izay mandray tsara ny olona rehetra maniry hanompo azy — na manankarena izy, na mahantra. Andriamanitra dia manolotra ilay fanantenana fiainana ao amin’ny tontolo vaovao ho avy iray izay tsy hisian’ny fahantrana mampahory intsony. — 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.

Mandra-pahatongan’izany, dia ampiasao amim-pahendrena ny fanananao. Banjino ny hoavy. Manangòna harena ara-panahy. (Matio 6:19-21). Raiso ho toy ny fihaikana ny fiatrehana ny fahantrana — fihaikana izay azonao toherina amim-pahombiazana.

[Sary, pejy 16]

Tsy hanatsara ny toe-javatra misy anao ny faniriana, fa ny fianarana mafy any an-tsekoly no afaka manao izany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara