Manontany ny Tanora Hoe . . .
Nahoana Aho no Tokony ho Virjiny Foana?
“LASA heverina ho toy ny mbola manana nifin-jazakely izay mbola virjiny, ka ‘tokony hesorina izy io, alohan’ny hahavitan’ny fianarana’”, hoy i Lesley Nonkin, mpanoratra. Hita avy amin’ireo teny ireo fa tsy mifehy tena mihitsy ny tanora maro raha ny fanaovana firaisana no resahina. Mety holazaina hoe tsy maharaka, ankehitriny, ny tanora mbola virjiny. Nisy tanora nadinadinina, ka nitsotra ny ankizilahy fa “tsy andriny” izay tsy haha virjiny azy intsony. Ny ankizivavy kosa nilaza fa mahatsiaro tena ho “hafahafa” izy satria mbola virjiny.
Nasehon’ilay lahatsoratra tamin’ilay gazety teo aloha, anefa, fa tsara eo imason’Andriamanitra ny olona virjiny.a Sarobidy aminy izy ireny, fa heveriny ho ratsy sy mampidi-doza kosa ny firaisana alohan’ny fanambadiana. (1 Tesaloniana 4:3-8) Mila manohitra fitaomana be dia be anefa ny tanora raha te ho virjiny foana. Nahoana izy no tokony hanao izany? Misy soa azony ve?
Fomba ahitana fa misy mpitia ve?
Tanora maro no mihevitra fa fomba anehoana fitiavana na ahitana fa misy mpitia fotsiny ny firaisana. Ara-dalàna ny faniriana hotiavina, ary ny tanora indrindra, matetika, no tena mila an’izany. Manazava toy izao ny boky Fandresena ny Fahaketrahan’ny Zatovo (anglisy): ‘Fianakaviana maro no lasa tsy dia mifandray akaiky sy tsy mifampiahy intsony, ka any an-kafa ny zatovo no mitady olona hiahy azy sy hifandray akaiky aminy. Be atao ny fianakaviana ankehitriny, ka tsy manam-potoana firy hiarahana na hifamborahana ny ao am-po. Raha tsy mahazo fitiavana sy fiahiana ao an-trano ny zatovo, dia ny firaisana no hany fomba hitany fa hahafahany hifandray akaiky amin’olona, sady hanaporofoany fa misy mpitia izy sady ankasitrahana.’
Izany indrindra no nitranga tamin’ny ankizivavy iray atao hoe Ann. Hoy izy: “Misy tanora maro mahatsapa hoe tsy misy mpitia, satria tsy dia tsapany ho mihevitra azy loatra ny ray aman-dreniny. Lasa maniry hotiavina àry izy na te hifandray akaiky kokoa amin’olon-kafa. Izany no nitranga tamiko ka nahatonga ahy hitady fitiavana tany amin’ny ankizilahy.”
‘Tsy manao izay tsy mahamendrika sy tsy mitady ny azy’ anefa ny tena fitiavana. (1 Korintiana 13:4, 5) Mendrika sy tsara ny firaisana, raha ao anatin’ny fanambadiana ara-dalàna. (Genesisy 1:28; Ohabolana 5:15-19) Raha any ivelan’ny fanambadiana kosa izy io, dia natao fotsiny hampiononana ny fo, handosirana zava-manahirana, hisehosehoana, na hanarahana ny fitaoman’ny namana, na noho ny faniriana hahazo fahafinaretana toy ny mpivady, na dia tsy miditra amin’ny fanambadiana aza. Izao no namintinan’ny Dr. Louis Fine izany: ‘Mampiseho fahatezerana sy fanimban-tena ny firaisana ataon’ny zatovo, fa tsy fanehoana fitiavana sy fiahiana.’—“Raha Izay Rehetra efa Nataontsika ho Azy Ireo Izay”—Fahatakarana ny Fihetsiky ny Zatovo (anglisy).
Tsapan’i Ann fa marina izany. Hoy izy: “Bevohoka aho avy eo. Hitako, tamin’izay, fa tena niahy sy tia ahy ny ray aman-dreniko. Izy ireo no nanampy ahy nandritra izany fotoana izany. Ilay ankizilahy nitadiavako fitiavana kosa nandao ahy.”
Tsy voatery hisy vokany tena ratsy, toy ny fananana anaka ny firaisana ivelan’ny fanambadiana, nefa matetika no maratra ny fon’ilay olona, sady tsapany hoe tsy misy dikany ny fiainany. Hoy ny boky Ny Fiainan’ny Zatovo Amerikanina (anglisy): “Misy ankizivavy mahatsapa fa hararaotin’ny ankizilahy miaraka aminy, satria mandrahona ny hisaraka aminy ilay ankizilahy raha tsy mety manao firaisana izy. Mahatsiaro ho voafitaka anefa izy avy eo, raha misaraka izy ireo, na ny fanaovana firaisana fotsiny sisa no antony iarahana.”
Raha mbola kely loatra ka tsy tokony hanambady
Misy mihevitra hoe manampy ny olon-droa hifandray akaiky kokoa ny firaisana. Inona anefa no ilana ifandraisana akaiky, raha mbola kely loatra ka tsy tokony hivady ny olon-droa? Harary fo fotsiny izy ireo, indrindra fa satria toa tsy maintsy hisaraka any aoriana. Mampahatsiahy antsika i Clayton Barbeau ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fomba Hitaizana ny Ray Aman-dreny (anglisy), fa “fotoana hieritreretanao ny momba anao sy hamantaranao ny tenanao ny fahatanorana.” Manontany izy hoe: “Ahoana moa no hitiavanao olona iray sy hahafantaranao azy avy eo, raha ny tenanao aza tsy fantatrao?”
Tsy manatsara, fa vao mainka manakana ny fifampiresahana koa ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Mety hampisaraka ireo olon-droa koa ny fahatsiarovan-tena ho meloka. (Romana 2:15) Niaiky ny ankizivavy iray hoe: “Nahatsiaro tena ho meloka aho, ka vao mainka tsy nifandray firy izahay. Nankahala [ilay ankizilahy niarahako] aho satria izy no nahatonga izany. Tsy te hijery ny ray aman-dreniko akory aza aho satria menatra azy ireo.” Hoy ny tanora iray hafa: “Navelako daholo ny zava-drehetra noheveriko fa tsara, ny fitsipika narahiko sy ny hajan’ny tenako ary ny feon’ny fieritreretako madio, satria te hotiavina fotsiny aho.”
Namintina tsara izany i Clayton Barbeau rehefa nilaza hoe: ‘Amiko, dia toy ny zaza milalao baomba ny zatovo mihevitra ny firaisana ho kilalao fotsiny.’
Fomba hananana fanambadiana sambatra ve?
Misy tanora mieritreritra fa ho vonona kokoa amin’ny fanambadiana izy raha efa zatra nanao firaisana. Tsy marina anefa izany. Mifandray amin’ny antony ara-pihetseham-po, matetika, ny olana ao anatin’ny fanambadiana, fa tsy noho ny tsy fahazarana manao firaisana akory. Ny firaisana alohan’ny fanambadiana kosa aza no tena mandrava ny tokantrano. Tsy mifanaja intsony ny mpivady, sady ny hanao firaisana no lasa zava-dehibe indrindra amin’izy ireo fa tsy ny fifankahazoana am-po. Izao no nomarihin’ny boky Fanorenana Fanambadiana Vanona (anglisy): “Filan’ny nofo fotsiny no antony anaovana firaisana alohan’ny fanambadiana. Fitiavan-tena no mibaiko azy io, fa tsy fifankatiavana.” Hiteraka fahoriana ao anatin’ny fanambadiana izany fitiavan-tena eo amin’ny fanaovana firaisana izany, rehefa ela ny ela. Ho afa-po kosa ny mpivady raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly sy vonona kokoa hanome, fa tsy ho tia tena ka handray fotsiny.—1 Korintiana 7:3; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:35.
Miresaka olana hafa ny boky Nahoana no Miandry Mandra-panambady? (anglisy), ka nilaza hoe: “Tsy azo antenaina hiova tampoka ny lehilahy sy vehivavy tsy nifehy tena talohan’ny nanambadiany. Mbola tsy mahay mifehy tena foana ny ankamaroany.” Izao no famaranan-kevitr’io boky io: ‘Raha zava-dehibe aminao ny tsy manitsakitsa-bady, dia fantaro fa mila mifehy tena ianao alohan’ny hanambadianao.’ Ho mora aminao ny hankatò ity fitsipiky ny Baiboly ity, raha virjiny foana ianao mandra-panambady: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.”—Hebreo 13:4.
Mamintina izany toy izao ny gazety malaza iray momba ny fahasalamana: “Hita fa mety hahomby kokoa ny fanambadian’ny olona mbola virjiny satria manana toetra tsara hafa izy ireny, matetika; ohatra, mazoto mandray andraikitra kokoa, mahay mifehy tena kokoa, ary vonona hankatò lalàna kokoa.” Tena hanenina àry izay tsy te ho virjiny intsony.b Hoy ny ankizivavy iray: “Efatra ambin’ny folo taona aho ary tsy virjiny intsony. Tena manenina tongotra aman-tanana aho. Marary ny foko satria tiako raha mbola virjiny aho no manambady.”
Aza manimba tena
Misy soa iray farany ho azonao raha virjiny ianao, ka tokony hodinihinao izany. Asehon’ny Baiboly fa “hiharan’ny ratsy ho valin’ny faharatsiany” ireo tsy mankatò ny lalàn’Andriamanitra. (2 Petera 2:13) Nahoana no mety hanimba anao ny firaisana alohan’ny fanambadiana? Diniho, ohatra, ity lahatsoratra avy ao amin’ny gazety Fito Ambin’ny Folo Taona (anglisy) ity: “Milaza ireo mpikaroka momba ny SIDA fa mihamanahy hatrany izy ireo satria mihamitombo ny zatovo mitondra ny virosin’ny SIDA.” Be dia be mihitsy ny fampahafantarana ny momba io aretina mahafaty io, nefa hita avy tamin’ny fanadihadiana iray fa ny ‘ampahatelony eo ho eo monja tamin’ny tanora nadinadinina no mba nanova ny fitondran-tenany noho ny tahotra azy io.’
Tsy takatry ny tanora manao firaisana alohan’ny fanambadiana koa fa mety ho bevohoka izy, na ho voan’ny aretina maro azo avy amin’ny firaisana, ankoatra ny SIDA. Mety haratra koa ny fony, ho simba ny feon’ny fieritreretany, ary ny tena ratsy indrindra, dia ho rava ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Aza manimba tena. Hoy ny Ohabolana 14:16: “Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ny ratsy.” Aza manaiky hino hoe tsy misy atahorana ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Amin’Andriamanitra, dia ny firaisana ao anatin’ny fanambadiana ihany no tsy atahorana sady ekena. Tokony mbola ho virjiny foana ianao, mandra-pahatongan’izany. Aza avela hanao izay hahamenatra anao ny olon-kafa, ary aza avela handresy lahatra anao tsy ho virjiny intsony.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! 8 Septambra 2002.
b Afaka mionona ireo novetavetaina ka tsy virjiny intsony, satria mbola mihevitra azy ho “tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka” Andriamanitra. (Filipiana 2:15) Toy izany koa ireo nijangajanga talohan’ny nianarany ny fitsipiky ny Baiboly. “Voasasa” eo imason’Andriamanitra izy noho ny finoany ny avotr’i Jesosy. (1 Korintiana 6:11) Hadio eo anatrehan’Andriamanitra koa ny Kristianina latsaka tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena, raha tena mibebaka sy miova. Olona maro, tena tia ny vadiny, no mahatakatra ireo toe-javatra ireo ka vonona hamela heloka.
[Sary, pejy 17]
Maro amin’ireo tsy virjiny intsony no mahatsiaro ho voafitaka sy nohararaotina