FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/4 p. 30-31
  • “Ny Mofonay Isan’andro”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ny Mofonay Isan’andro”
  • Mifohaza!—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Andramo Ilay Mofon’aina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mofo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Ilay tena mofo avy any an-danitra”
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • I Jesosy no “Mofon’aina”
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/4 p. 30-31

“Ny Mofonay Isan’andro”

“OMEO anay anio ny mofonay isan’andro.” Tsy isalasalana fa ekentsika ho toy ny tapany amin’ilay vavaka fanta-daza indrindra notononina hatramin’izay ireo teny ireo — ilay antsoina hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo. (Matio 6:9, 11, King James Version). Tamin’ny andron’i Jesosy, dia foto-tsakafo teo amin’ny Isiraely ny mofo ary azo nampiasaina tsara ho toy ny fampisehoana ny fomba ivelomana ara-nofo izy io.

Amin’izao fotoana izao, any amin’ny ankamaroan’ireo faritra eto amin’izao tontolo izao, dia tsy manana toerana ambony intsony toy ny fahiny eo amin’ny sakafo aroso, ny mofo. Matetika amin’izao fotoana izao, dia ampiarahina amin’ny sakafo aroso fotsiny ny mofontsika isan’andro ara-bakiteny. Kanefa, mbola manana anjara toerana lehibe ny mofo eo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro manerana an’izao tontolo izao.

Any Meksika, dia manamboatra mofo manify antsoina hoe tortillas ny vehivavy mpikarakara tokantrano. Any Etiopia, ny vehivavy dia manamboatra mofo iray tsotra, amin’ny fandrarahana ro marihitra eo ambony lapoaly na takela-by iray mahamay. Any amin’ireo tany tandrefana, dia amboarina be dia be amin’ny milina ny mofo, amin’ny endriny sy ny habeny mahavariana isan-karazany. Ary vehivavy mpikarakara tokantrano maro any amin’ireny tany ireny no mbola mampifaly ny fianakaviany, amin’ny fanaovana mofo samy hafa amboarina ao an-trano.

Iza no tsy ho voasinton’ny fofon’ny mofo, ilay izy mbola mafana mivoaka avy ao anaty lafaoro iny? Mety hanintona ny mpandalo hiditra ao amin’ny magazay fivarota-mofo izany. Ho an’ny olona maro be, izany dia mampahatsiahy ny fahatsiarovana mafana ny tany an-tranony sy ny tsy fananana ahiahy tamin’ny fahazazana.

Tsy fantatra tokoa aloha hoe iza no namorona ny fahaizana manamboatra mofo. Ao amin’ny Genesisy 3:19 (NW ), dia nilazana toy izao ireo olombelona voalohany nanota: “Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinanao mofo mandra-piverinao amin’ny tany.” Miharihary eto fa nampiasaina fotsiny mba hampisehoana ny hanina amin’ny ankapobeny ny teny hoe “mofo”. Vakintsika ao amin’ny Genesisy 14:18, 19 anefa fa, rehefa nivoaka mba hitso-drano an’i Abrahama patriarika i Melkizedeka mpisorona, dia “nitondra mofo sy divay” izy. Tsy isalasalana mihitsy fa izany dia manisy fitenenana ny amin’ny bikana mofo, izay naroso ho toy ny foto-tsakafo teo amin’ny olona tamin’ny andro fahiny. Any amin’ny faritra sasany any Moyen-Orient, dia mbola toy izany ihany ny mofo.

I Egypta fahiny dia nanana ireo mpanao mofony, tahaka ny nananan’ireo firenena taoriany an’izany, toa an’i Grisia sy i Roma. Tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia teo am-piroboroboana ny revolisiona ara-taozava-baventy. Nifindra avy tao an-trano ny fanamboarana mofo ka natao tany amin’ny ozinina mba havoaka be dia be. Nisy fitaovana vaovao maro nanampy tamin’ireo zavatra nilaina tamin’ny fanamboarana ireo: milina mpametafeta, mpitatitra, lafaoro fandrahoana mandeha ho azy, ary koa milina mpandidy sy mpanao anaty fonosana. Nanjary nivelatra ho fahaizana nampiasaina tamin’ny varotra ny fanamboarana mofo natao tany an-tokantrano.

Betsaka, raha tsy ny ankamaroany, amin’ny mofo hanina amin’izao andro izao any amin’ireo tany mandroso no vidina eny amin’ny mpivarotra. Ary mbola anisan’ny tapany lehibe amin’ny sakafo fanomana izy io ho an’ny kolontsaina maro. Inona moa ny sakafo misy spaghetti raha tsy ampiarahina amin’ilay mofo italianina mikarepodrepoka? Na eritrereto ny choucroute alemanina mahavelona raha tsy ampiarahina amin’ny tsiron’ilay mofo mainty namboarina tamin’ny lafirinina seigle! Iza no tsy te hihinana mofo tampontsatroka manify voaendy, amin’ny marainan’ny ririnina? Tsy inona akory ny tampontsatroka fa mofo fisaka endasina vetivety fotsiny, vita amin’ny lafarinina katsaka, na varimbazaha tsy misy fangarony, na lafarinina sarrasin.

Ny karaza-mofo nanjary tena maro mpankafy any amin’ny tany tandrefana dia ilay fampiasa anaovana pizza italianina. Fahafinaretana koa ny mijery ny fanomanana azy io; na dia ireo olona efa lehibe aza dia mitolagaga toy ny ankizy rehefa mitazana ilay mpanao pizza mampisavoana ilay koba mofo boribory fisaka eo ambony lohany, amin’ny fahakingana rehetra fampisehon’ny mpanao zavakanto amin’ny cirque.

Ankafizin’ny olon-drehetra ve ny mofo? Izany tokoa! Nefa, angamba ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hankafizana mofo, dia ny fanandraman’ny tenanao manamboatra azy. Mety ho gaga ianao noho ny fahafaham-po azo avy amin’izany fiezahana manao azy mivantana izany. Ary hitondra fahatsapana fahavitan-javatra ho an’ny mpikarakara tokantrano ny fahaiza-mamoron-javatra, izay mety tsy ho tsapany any amin’ny efitrano fanasan-damba na rehefa manadio trano izy.

Ilay fomba fanamboarana mofo ampiarahina amin’ity dia hanampy anao hanamboatra mofo iray mibontsina, izay tian’olona maro be any amin’ny tany tandrefana. Mety ho toy ny kilalao ny famarana sy ny fampifangaroana ireo singa samihafa. Ary ny famotsipotsehana ny koba mofo dia mety ho fomba mahasoa handroahana ireo karazana fahakiviana rehetra! Mbola lafiny hafa mahatalanjona amin’ny fanamboarana mofo, ny fijerena ny mofo mibontsina. Vokatry ny fahatongavana ho mavingy ny fibontsinana. Rehefa ampifangaroina amin’ny koba mofo ny lalivay na levure dia miteraka kibolabola na tapoakana eton’arina, izay mahatonga ny koba mofo hihirikaty. Izao dia potsipotsehina ny koba mofo, volavolaina haka endrika mofo, ary avela hitombo indray ao anaty lasitra mofo, alohan’ny handrahoana azy. Hampidirina ao anaty lafaoro ny mofo — ary fofòny ange izany fofona manentoento ao an-tranonao izany e! Ny tsara indrindra dia ny fanandramana ny tsirony. Mety ho sarotra aminao ny hiverina hividy ny mofo any amin’ny magazay fivarota-mofo. Ary rehefa hainao ny fomba fanamboatra mofo, dia angamba ianao hanandrana hanao izany amin’ny lafarinina samy hafa, toy ny lafarinina varimbazaha, vary hordea, seigle, katsaka, vary, ovy na sozaha.

Marina fa ho mora kokoa aminao angamba ny hividy fotsiny ny sasany amin’ireo karaza-mofo maro samihafa hita eny amin’ny mpivarotra. Nefa, na ny fandrahoana mofo no fifalianao na ny fihinanana izany, na tapany lehibe amin’ny sakafonao izy io na ampiarahina amin’ny sakafo fotsiny, dia manehoa fankasitrahana ny mofo. Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no manome ny ‘mofontsika isan’andro’!

[Efajoro/Sary, pejy 31]

Fomba Fanamboarana Mofo

Levony ao anaty rano mafana 4 kaopy, na 1 litatra, ny levure de boulanger 60 na 65 grama

Ampifangaroy aminy ny lafarinina (varimbazaha fotsy na tsy misy fangarony) 5 kaopy na 600 grama

Avelao hibontsina avo roa heny amin’ny toerana mafana

Ampio sira voatoto indroan’ny sotrokely, siramamy tapa-kaopy na 100 grama, ary margarine tapa-kaopy na 115 grama

Ampifangaroy tsara

Ampio lafarinina eo amin’ny 4 kaopy fanampiny eo ho eo na 480 grama mba tsy hampahalemy loatra ny koba

Potsipotseho mandritra ny 15 minitra eo ambonin’ny velarana nohosorana lafarinina

Avelao hibontsina avo roa heny ao anatin’ny baolina nohosorana menaka

Potsipotseho kely indray, ary volavolao haka endrika mofo efatra

Avelao hibontsina mandritra ny minitra vitsivitsy ao anaty lasitra nohosorana menaka

Andrahoy ao anaty lafaoro 163 degrés Celsius ny hafanany mandritra ny adiny iray

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara